Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hahita ny tavany isika

Daty
Zoma 31 May 2024

"Hahita ny tavany [izy ireo], ary ny anarany dia ho eo amin'ny handriny." - Apôk . 22:4.

Mofon’Aina :
Tsy hitantsika ankehitriny ny voninahitr'Andriamanitra, kanefa ny fandraisantsika Azy ankehitriny no hahafahantsika tsikelikely hahita Azy mivantana. Asain'Andriamanitra mibanjina Azy isika, mba tsy hifantohantsika amin'ireo zavatr'ity tany ity. Tsy manam-potoana isika hanemorana ny fiomanana izay manomana antsika amin'ny fanatrehana ny tavan'Andriamanitra. (...)

Amin'ny fibanjinana an'i Jesôsy ilay Zanak'ondrin'Andriamanitra sy ny fanarahana ny dian-tongony ihany no hahafahanao miomana hihaona amin'Andriamanitra. Manaraha Azy dia handeha eo amin'ny lalana volamenan'ilay tananan'Andriamanitra ianao. Hahita Hay namela ny fitafiana maha-mpanjaka Azy sy ny satroboninahiny ianao, Ilay nitafy ny maha-olombelona sy tonga teto amin'ny tontolontsika ary nitondra ny otantsika, mba hanandratana antsika sy hanehoana amintsika ny Voninahiny sy ny Fiandrianany. Hahita Azy mivantana isika raha manaiky hovany sy hovolavolainy ary homaniny ho amin'ilay fitoerana any amin'ny fanjakan' Andri

Natolony an'Andriamanitra ny fisainan'izy ireo teto amin' ity tontolo ity, nanompo Azy tamin'ny fony sy ny fisainany izy, ary izao dia hataon'Andriamanitra eo amin'ny handrin'izy ireo ny Anarany. "Ary tsy hisy alina intsony; (...) fa ny Tompo Andriamanitra no hanazava azy; ary hanjaka mandrakizay mandrakizay izy." - Apôk . 22:5. Tsy miditra ao tahaka ny mpangataka fitoerana izy ireo satria izao no holazain'i Kristy aminy: "Avia hianareo izay notahin'ny Raiko, mandova nyfanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao"- Mat. 25:34. Raisiny ho zanany izy ireo ka ilazany hoe: "midira amin'ny fifalian'ny Tomponao." Apetraka eo amin'ny handrin'ireo mpandresy ny satroboninahitry ny tsy fahafatesana. Mandray ny satroboninahiny izy ireo ary manipy izany ho eo an-tongotr'i Jesôsy, mitendry ny lokanga volamenany izy ary mameno ny lanitra amin'ny feon-kira kanto ho fiderana Ilay Zanak'ondry. Rehefa izay dia "hahita ny tavany [izy ireo], ary ny anarany dia ho eo amin'ny handriny." - TMK, t. 364. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal