Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY FILALAOVANA ANGATRA AMIN'NY ANDRO FARANY: FIZARANA 1 

Daty
Alarobia 05 June 2024

Vakio ny Mat. 24:5, 11, 24; 2 Tes. 2:7-9; Apôk. 13:13, 14; ary ny 16:13, 14. Karazam-pitaka manao ahoana no hatrehin'ny olona amin'ny andro farany?

Hampiasa "famantarana sy fahagagana" ary zava-mampitolagaga ny devoly hamitahana olona maro mialoha indrindra ny fiavian'i Jesôsy. Raha namakafaka ny fahefana mamitaky ny fanahin'ny demonia i Angel Rodriguez dia manao izao fanambarana izao: "Ny fahefany mandresy lahatra dia tsy mitoetra ao amin'ny votoatin'ny hafatra entiny fa ao amin'ny herin'ny fihetsiketsehana mihoatra ny herin'olombelona antsoina hoe 'famantarana' na fahagagana'. Manao famantarana (poled) izy ireo, manintona ny fihetseham-pon'ny olombelona fa tsy ny fahafahany misaina. Ny fanaovan'ny devoly ireo famantarana ireo dia maneho fa ny hery mampiray ny hafatr'ireo demonia telo [dragona, bibidia ary ny mpaminany sandoka] dia fiantsoana avelo – tsy Andriamanitra no loharano niaviany na niandohany. Rehefa hifarana io fifanandrinana mahakasika an'izao tontolo izao io dia hiditra amin'ny sehatry ny tantaran'ny olombelona amin'ny fomba tsy mbola nisy toy izany ny herin'ny demonia. Efa hambabo an'izao tontolo izao ny filalaovana angatra, izay miorina amin'ny fampianarana tsy ara-Baiboly mikasika ny tsy fahafatesan'ny fanahy." — "The Closing of the Cosmic Conflict: Role of the Three Angels' Messages," unpublished manuscript, t. 6.

Nahoana no mampidi-doza ny fitokiana amin'ny fihetseham-pontsika? Inona ny anjara asa tanany, tsara sy ratsy, eo amin'ny fanandramam-pinoana iainantsika? Ahoana no ahazoan'i Satana manodina ny fomba fisainantsika ka misarika ny fihetseham-pontsika?

"Efa ela i Satana no niomana ho amin'ny ezaka farany hamitahany an'izao tontolo izao. (...) Nomaniny tsikelikely ny lalana ho amin'ny fitaka fara-tampony hataony amin'ny fitomboan'ny filalaovana angatra. Tsy mbola nahatratra ny fahatanterahana feno ny amin'ny zava-kendreny nefa izy; nefa ho tody amin'izany amin'ny andro farany sisa. (...) Afa-tsy izay voaron'ny tenin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny finoana ny teniny dia ho voafaoka ho ao amin'ny laharany izao tontolo izao manontolo hanaraka ny fitaka ataony. Sondriana sy renoka ny vahoaka noho izany fiadanana mampidi-doza izany, ary tsy hifoha raha tsy hirotsaka ny fahatezeran’Andriamanitra." – HM, t. 585. Ao amin'i Jesôsy sy ao amin'ny teniny ihany no hany fiarovana ho antsika.

Tsy sarotra ny mahatakatra ny antony mahatonga ny olona an-tapitrisa, eny an-davitrisa mihitsy aza, izay tsy mahalala ny toetry ny maty ho voataonan'ny fiheveran-diso izay milaza fa mbola velona ny maty aorian'ny fahafatesana.

Na amin'izao fotoana izao aza, inona avy ireo famitahana mahazatra izay tsy mahavoa ireo mahatakatra fa ny maty dia matory? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -
Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal