Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mahafantatra an'Andriamanitra amin'ny alalan'ny asany

Daty
Sabotsy 01 June 2024

"Manisy soa izao tontolo izao Jehovah; Ary ny fiantràny dia eny amin 'ny asany rehetra. Jehovah ô, midera Anao ny asanao rehetra; ary ny olonao masina misaotra Anao." - Sal. 145:9,10. 

Mofon'aina:
Tiantsika ery ny mandinika ny toetran'Andriamanitra sy ny   fitiavany ao amin'ny asan'ny tanany. Porofo lehibe nomeny ny zanak'olombelona ny amin'ny heriny sy ny fitiavany amin'ny maha-Raintsika Azy izany! Noravahany tsara tarehy ny lanitra, ary ny tany kosa nataony miezinezina sy kanto.

"Jehôvah, Tomponay ô, endrey ny voninahitry ny anaranao amin'ny tany rehetra! Nataonao eny amin'ny lanitra ny voninahitrao. (...) Raha jereko ny lanitrao, izay asan'ny rantsan-tànanao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao, inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak'olombelona, no amangianao azy? " "Jehovah ô, midera Anao ny asanao rehetra; ary ny olonao masina misaotra Anao. " — Sal. 8:1,3,4; 145:10.

 Raha toa ka natao mitovy tantana sy fisaka tanterka avokoa ity tanintsika ity dia ho  namizana ny maso sy nahatofoka ny saina izany. Fa noravahan'Andriamanitra tendrombohitra sy havoana ary lohasaha maro ny tany. Ary na ny granita miranirany, na ny tendrombohitra sola, na ny tendrombohitra anirian'ny alan-kesika sy ny ahi-maitso, na ny lohasaha feno zava-maniry milenodenoka mahafinaritra; ireo dia manome endrika kanto ny tanintsika. Hita hatraiza hatraiza ny fahatsaran'Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny heriny. (...) Tsy mba mahatsiaro ho manirery na oviana na oviana aho eo am-pandinihana ny hafatratry ny zavaboary. (...) Feno fanajana sy talanjona aho mahita ny hantsana lalina sy ny tampon-tendrombohitra rakotra oram-panala.

Tokony hataontsika sekoly hianarantsika momba ny toetran'Andriamanitra ao amin'ny zavaboariny ireny tendrombohitra sy havoana ary lohasaha ireny. Na ireo voatanisa ireo, na ny hazo, na ny voninkazo, hatramin'ny ravin-kazo sy ny ahitra tsirairay, dia tokony hampianatra antsika ny amin'ny fahaizan'Andriamanitra sy ny fitiavany ary ny heriny tsy hita fetra.

 Tsy hahatsiaro ho manirery velively izay mandinika ny zavaboary. Mankamamy ireo ora mangina fisaintsainana izy ireo; tsapany mantsy fa voataona hanakaiky an'Andriamanitra amin'ny fomba ety indrindra izy ireo eo am-pibanjinana ny herin'Andriamanitra ao amin'ireo voary noforoniny. — HP, t. 9.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal