Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fifidianana avy any an-danitra

Daty
Alatsinainy 03 June 2024

 "Ary amin'izany dia mazotoa kokoa, ry rahalahy, hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo; fa raha manao izany zavatra izany hianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay." — 2 Pet.1:10. 

Mofon'Aina:
Io ihany no karazana fifidianana  resahina ao amin'ny Baiboly. Mety ho tonga mpiray fomba amin'Andriamanitra sy hahazo fahalalana mihoatra lavitra noho ny an'ny siansa rehetra isika na dia lavo tao amin'ny fahotana aza. Amin'ny fandraisantsika anjara amin'ny nofo sy ny ran 'ny Tompontsika nohomboana teo amin'ny hazo fijaliana dia ho azontsika ny fiainana mandrakizay. Izao no voalaza ao amin'ny Jao. 6:54,63: "Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany. (…) Ny fanahy no mahavelona; ny nofo tsy mahasoa na inona na inona; ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana." 

Tsy misy olona voatery ho very anjara tsy hahazo ny fiainana mandrakizay. Azo antoka ny fiantsoana sy ny fifidianana ireo izay mifidy ny hianatra isan'andro amin'Ilay Mpampianatra avy any an-danitra. 

(...)"Ary amin'izany dia mazotoa kokoa, ry rahalahy, hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo; fa raha manao izany zavatra izany hianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay, fa toy izany no hanomezana malalaka ho anareo ny fidirana ho any amin'ny fanjakana mandrakizay, izay an 'i Jesôsy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy antsika." - 2 Pet 1:10,11.

 (...) Toky sy fanantenana manao ahoana re izany! Aoka hambarantsika tsy tapaka amin'izao tontolo izao fa mikatsaka ny tsara lavitra isika, dia ny any an-danitra. Natao ho antsika ny lanitra ary maniry hanana anjara amin'izany isika. Tsy misy na inona na inona azontsika avela hampisaraka antsika amin'Andriamanitra sy ny lanitra. Eto amin'ity fiainana ity no tsy maintsy ho mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra isika. Ranadahy sy rahavavy isany, fiainana tokana ihany no ananantsika. Aoka re izany mba ho fiainam-pahendrena, miara-miafina amin'i Kristy ao amin'Andriamanitra! 

Mila miray saina sy mifanampy isika mba hanatrarantsika ny fahatanterahan-toetra. Amin'izany dia aoka hatsahatra izay rehetra mety ho fitsikerana. Afaka mandroso ho amin'ny fahatanterahana hatrany isika mandra-panokafana midanadana eo anoloantsika ny fanjakan'ny lanitra ho antsika. - HP, t. 29. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal