Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fanorenana azo antoka 

Daty
Talata 04 June 2024

"Fa tsy misy mahay manao fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesosy Kristy. Ary raha misy mandrafitra volamena, na volafotsy, na vato tsara, na hazo, na bozaka, na mololo, eo ambonin'ny fanorenana, dia haseho avokoa ny asan 'ny olona rehetra; fa ny andro no hampiseho azy, satria haseho amin'afo izany andro izany, ka dia hozahan-toetra amin'ny afo ny asan'ny olona rehetra." - 1 Kôr. 3:11-13. 

Mofon'aina:
Tahaka ny afo mampiseho sy manavaka ny volamena, ny volafotsy, ny vato tsara, ny hazo, ny bozaka, ary ny mololo, dia toy izany koa ny andro fitsarana izay hisedra ny toetran'ny olona, ka ho hita miavaka ny toetra voatefy tahaka ny an'i Kristy sy ny toetra voavolavolan'ny fo feno fitiavan-tena. (...) Ho levona izay rehetra tsy misy vidiny, fa ny tena volamena kosa, dia ny finoana tsotra sy manetry tena, dia (...) tsy ho levona mandrakizay; tsy mba mety lo mantsy izany.

 Na iza na iza dia mety ho tonga araka izay tiany hahatongavana. Tsy azo amin'ny alalan'ny fanabeazana, na amin'ny fanangonan-karena, na fahazoana voninahitra araka izao tontolo izao, ny toetra maha-izy ny olona iray. (...) Mba hamolavolana toetra tsara ankasitrahan'Andriamanitra dia ilaina ny ezaka feno faharetana. Mila manohitra mandrakariva ny herin'ny maizina isika raha irintsika ny hitehirizana ny anarantsika ao amin'ny bokin'ny fiainana. Tsy tsara lavitra ve ny hanana ny anarantsika ao amin'izany boky izany mba hiarahantsika monina amin'ny anjelin'ny lanitra mandrakizay, toy izay ny hoderaina eto amin'ity tany ity? 

Mandritra ny androm-pahasoavana omena antsika eto dia samy manorina toetra hotsarain'Ilay Mpitsara ny tany rehetra isika. (...) Ny asa tsirairay ataontsika eo amin'ny fiainana dia toy ny vato arafitra ho trano iray, ny fahaiza-manao tsirairay no mpandrafitra azy, ny kapoka tsirairay amin'izany dia na ho amin'ny tsara na ho amin'ny ratsy. Mampitandrina antsika ny Soratra Masina mba handinika tsara raha azo antoka ny fanorenantsika. Raha eo ambonin'ny vatolampy isika no manorina, eo amin'ny asa madio sy mendrika ary marina, dia ho kanto sy tsara rafitra ny tranontsika, ho tempoly azon'ny Fanahy Masina onenana. - HP, t. 47.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (30)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal