Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Aoka isika hangataka amin'Andriamanitra

Daty
Alakamisy 06 June 2024

 "Ary raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin'Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an 'ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany. " — Jak. 1:5. 

Mofon'aina:
Tombontsoan'ny mpino tsirairay ny miresaka amin'Andriamanitra ao amin'ny efitranony aloha, ary avy eo, miresaka amin'ny hafa amin'ny maha-mpitondra tenin'Andriamanitra azy. Tsy maintsy mandray fahazavana sy fitahiana isan'andro isika raha te hanan-javatra hozaraina amin'ny hafa. Vehivavy sy lehilahy mifandray amin'Andriamanitra, manana an'i Kristy mitoetra ao anatiny, izay voahodidin'ny rivo-piainana masina satria miara-miasa amin'ireo anjely masina, ireo no ilaina amin'izao andro izao. Mila olona manana hery mamabo fanahy ho an'i Kristy, afaka maneho ny fitiavan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny teny mamy mampahery ny asa. 

Rehefa mandohalika mivavaka eo anatrehan'Andriamanitra ny mpino, ka maneho ny fangatahany amim-panetren-tena sy fo torotoro, amin'ny molotra tsy mandainga, dia tsy mihevitra ny tenany intsony izy. Inona no tsy maintsy ananany mba hamolavolany toetra tahaka ny an' i Kristy? Izany no mameno ny fisainany. Izao no vavaka ataony: "Tompo ô, raha tokony ho fantsona ikorianan'ny fitiavanao isan'andro sy isan'ora aho, dia amin'ny finoana no itakiako Aminao ny fahasoavana sy ny hery efa nampanantenainao." Fikiriny mafy ilay teny fikasana manao hoe: "Ary raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin'Andriamanitra, (..) ary dia homena azy izany."

 (...) Amin'ny alalan'ny fahasoavany mahagaga sy manandratra no anamasinan'ny Tompo ilay mpivavaka feno fanetren-tena ka anomezany azy hery hanatanterahany ny adidy sarotra indrindra. Ho an'Andriamanitra avokoa no anaovany ny zavatra rehetra, ka amin'izany dia manjary ambony sy masina ny asa tsotra indrindra. Manjary mendrika ny tenany sy ny fihetsiny rehetra (...) 

Manana asa lehibe atao eto amin'izao tontolo izao ireo zanakalahy sy zanakavavin'Andriamanitra. Tokony hekeny ho mpanolo-tsaina azy ireo ny tenin'Andriamanitra, ary tokony hozarainy amin'ny hafa. Natao hampiely fahazavana izy ireo. (...) Ny tenin'i Kristy no hambaran'izy ireo. Ho hita amin'ny fiteniny sy ny fihetsiny fa voaova fo isan'andro ho amin'ny foto-kevitry ny fahamarinana izy ireo. Zava-mahagaga dinihin'izao tontolo izao sy ny anjely ary ny olona ny mpino toy izany, ary homem-boninahitra ao amin'izy ireo Andriamanitra. — HP, t. 67. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 19 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fitaovampiadiana mahery vaika indrindra.
Mon 20 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny soratra masina, fahefana.
Tue 21 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fahamarinana ara-baiboly.
Wed 22 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fitakian’ny Baiboly.
Thu 23 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny toe-po.
Fri 24 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal