Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Anjely ao an-tokantrano

Daty
Alahady 09 June 2024

"Fa Izy handidy ny anjeliny ny aminao mba hiaro anao eny amin'izay rehetra halehanao. Eny an-tànany no hitondran'ireo anao, fandrao ho tafintohina amin'ony vato ny tongotra." — Sal. 91:11,12. 

Mofon'Aina:

Miahy sy miambina antsika ireo anjelin'Andriamanitra. Arivoarivo sy alinalina ireo mpitondra hafatra avy any an-danitra irahin'ny Ray ho eto an-tatiy mba hanakana an'i Satana tsy hanao na inona na inona amin'ireo izay mandà tsy handeha amin'ny lalan'ny faharatsiana. Hoy i Kristy: "Mitandrema, fandrao manao tsinontsinona na dia ny iray aza amin 'ireny madinika ireny hianareo; fa lazaiko aminareo: Ny anjeliny any an-danitra mahita mandrakariva ny tavan 'ny Raiko Izay any an-danitra." —Mat. 18:10. 

Vitsy monja no mba mahatsapa fa manodidina antsika ny anjely, ary ireo anjely sarobidy ireo, izay manao fanompoana ho an' izay handova famonjena, dia mamonjy antsika amin'ny fakam-panahy sy zava-tsarotra maro dia maro. Liana ny amin'izay manjo ny ankohonana eto amin'ity tany ity ny ankohonan'ny lanitra manontolo. Tokony ho velom-pankasitrahana tokoa isika noho ny fiheverany andro aman'alina ny momba antsika. 
Ren'ny anjely ny fitenintsika ao an-tokantrano maneho tsy faharetana sy haratsiam-panahy. (...) Mampiditra ny fahavalo ao an-tokantrano ny tsy faharetana ary mandroaka ny anjelin'Andriamanitra. Raha mitoetra ao amin'i Kristy ianao, ary Izy ao anatinao, dia tsy hahay hanao tenim-pahatezerana ianao. 
Ry ray aman-dreny, miangavy anareo amin'ny anaran'i Kristy aho mba halemy fanahy, ho be fitiavana, ary ho feno faharetana ao an-tokantranonareo. Dia hisy tara-pahazavana hiditra ao ka ho tsapanareo ny taratr'Ilay Masoandron'ny fahamarinana mamirapiratra ao am-ponareo. 

Ny tsy fisian'ny fahasoavan' Andriamanitra no mampanjombona ny ao an-trano sy tsy maha-sambatra azy. Tokony ho fitoerana masina feno fitahiana ny tokantranonao, izay azon'Andriamanitra idirana sy ahafahan'ireo anjeliny masina manao fanompoana ho anao. Tsy mety ho voasarika ho ao amin'ny tokantrano misy olona mifaneho haratsiam-panahy sy tsy manam-paharetana ny anjely, fa raha manjaka ao kosa ny fitiavana sy ny fiadanana dia mahafinaritra ny anjely ny miditra ao mba hitondra misimisy kokoa amin'ny rivo-piainan'ny lanitra. — HP, t. 99.

 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal