Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Anjely ao an-tokantrano

Daty
Alahady 09 June 2024

"Fa Izy handidy ny anjeliny ny aminao mba hiaro anao eny amin'izay rehetra halehanao. Eny an-tànany no hitondran'ireo anao, fandrao ho tafintohina amin'ony vato ny tongotra." — Sal. 91:11,12. 

Mofon'Aina:

Miahy sy miambina antsika ireo anjelin'Andriamanitra. Arivoarivo sy alinalina ireo mpitondra hafatra avy any an-danitra irahin'ny Ray ho eto an-tatiy mba hanakana an'i Satana tsy hanao na inona na inona amin'ireo izay mandà tsy handeha amin'ny lalan'ny faharatsiana. Hoy i Kristy: "Mitandrema, fandrao manao tsinontsinona na dia ny iray aza amin 'ireny madinika ireny hianareo; fa lazaiko aminareo: Ny anjeliny any an-danitra mahita mandrakariva ny tavan 'ny Raiko Izay any an-danitra." —Mat. 18:10. 

Vitsy monja no mba mahatsapa fa manodidina antsika ny anjely, ary ireo anjely sarobidy ireo, izay manao fanompoana ho an' izay handova famonjena, dia mamonjy antsika amin'ny fakam-panahy sy zava-tsarotra maro dia maro. Liana ny amin'izay manjo ny ankohonana eto amin'ity tany ity ny ankohonan'ny lanitra manontolo. Tokony ho velom-pankasitrahana tokoa isika noho ny fiheverany andro aman'alina ny momba antsika. 
Ren'ny anjely ny fitenintsika ao an-tokantrano maneho tsy faharetana sy haratsiam-panahy. (...) Mampiditra ny fahavalo ao an-tokantrano ny tsy faharetana ary mandroaka ny anjelin'Andriamanitra. Raha mitoetra ao amin'i Kristy ianao, ary Izy ao anatinao, dia tsy hahay hanao tenim-pahatezerana ianao. 
Ry ray aman-dreny, miangavy anareo amin'ny anaran'i Kristy aho mba halemy fanahy, ho be fitiavana, ary ho feno faharetana ao an-tokantranonareo. Dia hisy tara-pahazavana hiditra ao ka ho tsapanareo ny taratr'Ilay Masoandron'ny fahamarinana mamirapiratra ao am-ponareo. 

Ny tsy fisian'ny fahasoavan' Andriamanitra no mampanjombona ny ao an-trano sy tsy maha-sambatra azy. Tokony ho fitoerana masina feno fitahiana ny tokantranonao, izay azon'Andriamanitra idirana sy ahafahan'ireo anjeliny masina manao fanompoana ho anao. Tsy mety ho voasarika ho ao amin'ny tokantrano misy olona mifaneho haratsiam-panahy sy tsy manam-paharetana ny anjely, fa raha manjaka ao kosa ny fitiavana sy ny fiadanana dia mahafinaritra ny anjely ny miditra ao mba hitondra misimisy kokoa amin'ny rivo-piainan'ny lanitra. — HP, t. 99.

 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana
Sun 16 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Mitory ny fisanganan’i Kristy tamin’ny maty.
Mon 17 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - I Kristy nitsangana tamin’ny maty, Ilay hany fanantenantsika .
Tue 18 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Kristy no santatra.
Wed 19 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Ny vatana hatsangana amin’i maty.
Thu 20 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Horesena ny fahafatesana.
Fri 21 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fianarana fanampiny.
Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (51)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal