Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny asan'ny finoana 

Daty
Zoma 10 May 2024

 "Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita." — Heb. 11:1. 

Mofon'Aina:
Tsy ny finoana no fototry ny famonjena antsika, kanefa fitahiana lehibe kosa izy -maso mahita, sofina mandre, tongotra mamindra, ary tanana mihazona. Fitaovana ny finoana fa tsy tanjona farany. Raha nanolotra ny ainy ho famonjena ny mpanota i Kristy, nahoana moa aho no tsy handray izany fitahiana izany? Ny finoako no mihazona izany, ary amin'izany ny finoako no fahatokiako ny amin'ny zavatra antenaiko, fanehoana ny zavatra tsy hita. (...) Amin'ny alalan'ny finoana, io ilay finoana mahavonj y (...), ny fanahin'ny olona no manolo-tena tanteraka hofehezin'i Jesôsy Kristy. Mitoetra ao amin'i Kristy izy ary i Kristy mitoetra ao amin'ny fanahiny amin'ny finoana, sy manapaka ao. Apetrak'ilay mpino eo an-tanan'Andriamanitra ny tenany sy ny fanahiny, ary afaka milaza amin-toky izy hoe: `Hain'i Kristy ny mitahiry izay napetrako Taminy ho amin'ilay andro iray.' Ho voavonjy mandrakizay izay rehetra manao izany. Misy toky ho an'ny fanahy izay voasasan'ny ran'i Kristy sy voatafy amin'ny fahamarinany ary sarobidy eo imason'i Jesôsy.

Tadidio fa anisan'ny fomba fanamafisana ny finoana ny fampiasana azy. Raha mipetraka lalandava ianao ka tsy mihetsika mihitsy, dia halemy ny hozatrao, ary ny rantsam-butanao ho osa ka tsy ho afa-mihetsika intsony. Marina koa izany eo amin'ny fanandramana ara-pivavahana. Tsy maintsy mino ireo teny fikasan'Andriamanitra ianao. (...) 
Tena zava-dehibe indrindra ho antsika ny manao izay hahatonga ny fanahintsika ho voahodidin'ny rivo-piainan'ny finoana. Manapa-kevitra ny amin'izay ho anjarantsika mandrakizay isika isan'andro, miankina amin'ny rivo-piainana manodidina antsika. Samy hampamoahina isika tsirairay ny amin'izay asehontsika amin'ny hafa, fa misy vokany tsy hitantsika maso ny teny sy ny asa ataontsika. Raha ho namonjy an'i Sôdôma Andriamanitra noho ny fisian'ny olona folo marina, ho tsara hanao ahoana re ny vokatra raha ny vahoakan'Andriamanitra, dia izay rehetra mitondra ny anaran'i Kristy, no mahatoky sy mitafy ny fahamarinany e? — HP, t. 104. 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal