Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny asan'ny finoana 

Daty
Zoma 10 May 2024

 "Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita." — Heb. 11:1. 

Mofon'Aina:
Tsy ny finoana no fototry ny famonjena antsika, kanefa fitahiana lehibe kosa izy -maso mahita, sofina mandre, tongotra mamindra, ary tanana mihazona. Fitaovana ny finoana fa tsy tanjona farany. Raha nanolotra ny ainy ho famonjena ny mpanota i Kristy, nahoana moa aho no tsy handray izany fitahiana izany? Ny finoako no mihazona izany, ary amin'izany ny finoako no fahatokiako ny amin'ny zavatra antenaiko, fanehoana ny zavatra tsy hita. (...) Amin'ny alalan'ny finoana, io ilay finoana mahavonj y (...), ny fanahin'ny olona no manolo-tena tanteraka hofehezin'i Jesôsy Kristy. Mitoetra ao amin'i Kristy izy ary i Kristy mitoetra ao amin'ny fanahiny amin'ny finoana, sy manapaka ao. Apetrak'ilay mpino eo an-tanan'Andriamanitra ny tenany sy ny fanahiny, ary afaka milaza amin-toky izy hoe: `Hain'i Kristy ny mitahiry izay napetrako Taminy ho amin'ilay andro iray.' Ho voavonjy mandrakizay izay rehetra manao izany. Misy toky ho an'ny fanahy izay voasasan'ny ran'i Kristy sy voatafy amin'ny fahamarinany ary sarobidy eo imason'i Jesôsy.

Tadidio fa anisan'ny fomba fanamafisana ny finoana ny fampiasana azy. Raha mipetraka lalandava ianao ka tsy mihetsika mihitsy, dia halemy ny hozatrao, ary ny rantsam-butanao ho osa ka tsy ho afa-mihetsika intsony. Marina koa izany eo amin'ny fanandramana ara-pivavahana. Tsy maintsy mino ireo teny fikasan'Andriamanitra ianao. (...) 
Tena zava-dehibe indrindra ho antsika ny manao izay hahatonga ny fanahintsika ho voahodidin'ny rivo-piainan'ny finoana. Manapa-kevitra ny amin'izay ho anjarantsika mandrakizay isika isan'andro, miankina amin'ny rivo-piainana manodidina antsika. Samy hampamoahina isika tsirairay ny amin'izay asehontsika amin'ny hafa, fa misy vokany tsy hitantsika maso ny teny sy ny asa ataontsika. Raha ho namonjy an'i Sôdôma Andriamanitra noho ny fisian'ny olona folo marina, ho tsara hanao ahoana re ny vokatra raha ny vahoakan'Andriamanitra, dia izay rehetra mitondra ny anaran'i Kristy, no mahatoky sy mitafy ny fahamarinany e? — HP, t. 104. 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.
Sun 19 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Finoana sy fampiharana tsy mifanaraka.
Mon 20 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miatrika ny toe-java-mamohehatra.
Tue 21 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miaro ny maha-izy ny fiangonana.
Wed 22 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanefitry ny fijangajangana.
Thu 23 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanambadiana sy ny fijanonana ho tokan-tena.
Fri 24 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.
Sun 12 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Ny olan’ny fisaratsarahana ao am-piangonana.
Mon 13 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Mifantoka amin’i Jesôsy.
Tue 14 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fahendrena sy fahamatorana.
Wed 15 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fanompoana tahaka ny an’i Kristy.
Thu 16 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fomba fiaina maneho ny hazo fijaliana.
Fri 17 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.
Sun 26 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ny fahalalana sy ny fitiavana.
Mon 27 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ftiavana tsy mitady ny azy.
Tue 28 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Mandray lesona avy amin’ny lasa.
Wed 29 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampitandremana momba ny fanompoantsampy.
Thu 30 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Afaka amin’ny fanompoan-tsampy.
Fri 31 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fianarana fanampiny.
Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal