Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Finoana miasa

Daty
Talata 11 June 2024

"Ary mba ho hita ao aminy aho tsy manana ny fahamarinako, izay avy amin'ny lalàna, fa izay avy amin'ny finoana an 'i Kristy, dia ny fahamarinan 'Andriamanitra amin'ny finoana." - Fil. 3:9.

 Mofon'aina:
Tsara ny mamaky sy ny mampianatra Baiboly, fa tena   tsara koa ny mampihatra ireo foto-kevitra mitondra fiainana sy manamasina ao aminy, izay nambolena tao amin'ny fanahy (...). "Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana." — Efes. 2:8. Tokony hobeazina haneho finoana ny saina fa tsy hikolokolo fisalasalana, na fiahiahiana, na fialonana. Matetika loatra ny sakana no raisintsika ho tsy fisiam-bahaolana intsony. Lesona sarotra ianarana tokoa ny mino ireo teny fikasan'Andriamanitra, ny mandroso amim-pinoana, ny manohy hatrany ka tsy fehezin'ny toe-java-mitranga. Saingy lesona tsara ianaran'ny zanak'Andriamanitra tsirairay izany. Natao hohazonintsika mandrakariva ny fahasoavan'Andriamanitra amin'ny alalan'i Kristy; nomena antsika mantsy izany ho hany fomba ahazoantsika manatona an'Andriamanitra. (...)

Ny finoana resahina ao amin'ny Tenin'Andriamanitra dia foto-kevitra miasa sy velona eo amin'ny fiainana. Sitrapon'Andriamanitra ny hanatanterahana ny finoana an'i Kristy amin'ny alalan'ny asa; ampifandraisiny amin'izany asa izany ny famonjena sy ny fiainana mandrakizain'ireo mino, ary amin'ny alalan'izany asa izany no ielezan'ny fahazavan'ny fahamarinana any amin'ny firenena rehetra sy ny mponina rehetra. Io no vokatry ny asan'ny Fanahin' Andriamanitra.

Amin' ny alalan'ny fitandremantsika ny didin ' Andriamanitra no anehoantsika ny finoantsika Azy. Miseho amin'ny teny sy ny asa mandrakariva ny finoana. (...) Ny fiainana voavolavolan'ny finoana dia ahitana fahavononana handroso, handroso hatrany amin'ny fanarahana ny dian'i Kristy. (...) Izay manana finoana marina an'i Kristy ho Mpamonjy ny tenany manokana dia hahita fa miasa amin'ny fomba mazava ho azy ny finoany. Finoana miasa ny finoany (...). Tsy mahay mamorona finoana isika, saingy azontsika atao ny miara-miasa amin'i Kristy amin'ny fampitomboana sy fampandresena ny finoana. 

Ny finoana izay miasa amin'ny alalan'ny fitiavana dia manadio ny fanahy ary mamoa fanetren-tena, faharetana, fandeferana, fahari-po, fiadanana, fifaliana, ary fankatoavana an-tsitrapo. — HP, t. 109.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal