Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Teny mamy sy feno fanajana

Daty
Alahady 16 June 2024

 "Jehovah Tompo nanome Ahy ny lelan'ny efa mahay, mba hahaizako manao teny hampahatanjaka izay reraka; ampandrenesiny isa-maraina isa-maraina, . eny, ampandrenesiny ny sofiko hihaino tahaka ny efa mahay. " - Isa. 50:4. 

Mofon'aina:
Diniho i Kristy sy ny fiainany teto an-tany; tokony ho toa Azy ny Kristianina tsirairay. Izy no Ohatra ho antsika, tsy noho ny amin'ny fahadiovany tsy misy pentina ihany, fa noho ny amin'ny faharetany, ny fahatsaram-panahiny, ny toe-tsainy miabo. Mafy orina toy ny vatolampy Izy rehefa ny fahamarinana sy ny adidy no resahina, kanefa be fitiavana sy feno fanajana hatrany Izy. (...) Rivo-piainana madio no nentin'ny fanatrehany tao an-tokantrano, ary ny fiainany dia toy ny masirasira miasa amin'ireo singa ao amin'ny fiarahamonina. Feno fitiavana sy tsy nanan-tsiny Izy raha nandeha teo anivon'ireo olona tsy miraika, ratsy fanahy, tsy manaja, ireo mpamory hetra tsy marina, ireo Samaritana tsy hendry, ireo miaramila mpanompo sampy, ireo tantsaha henjan-toetra, sy ireo olona maro hafa.

Nanao teny mamy tetsy sy teroa Izy raha nahita ireo olona trotraka sy noterena hitondra enta-mavesatra. Nanampy nitondra ny entan'ireo Izy ary namerimberina taminy ireo lesona voarainy tamin'ny alalan'ny zavaboary, ny amin'ny fitiavana, ny fahamoram-panahy, ary ny fahatsaran'Andriamanitra. Nanao izay hanomezana fanantenana an' ireo izay mafy fo sy mahantra Izy, ka nitondra toky ho azy ireo fa mety ho tonga tsy manan-tsiny sy malemy fanahy izy ireo, dia hanana toetra toy ny an'ny zanak' Andriamanitra (...). Niara-nisakafo tamin'ny mpamory hetra toy ny vahiny manan-kaja Izy; nasehony tamin'ny fangorahana sy ny fitiava-namana fa fantany tsara ny tombam-bidin'ny maha-olona, ary naniry fatratra ny ho mendrika ny fitokiany ny olona. Nitondra hery feno aina sy fitahiana ho an'ny fanahin'ireo noana ny Teniny. Nisy ainga vao tao amin'izy ireo, ary hitan'ireto olona nailikiliky ny fiarahamonina ireto fa mbola azo atao ny manantena fiainam-baovao.

Manalefaka izay rehetra henjana sy miridiridy ao amin'ny toetra ny fivavahan'i Jesôsy, ary manalama izay rehetra mikitoantoana sy maranidranitra amin'ny fomba amam-pihetsika. (...) Ny Kristianina malemy fanahy sy feno fanajana no fitaovana mahery vaika sy mahomby indrindra ho fampandrosoana ny filazantsara. — HP, t. 181. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny
Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny
Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO!: Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal