Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY FIFANANDRINANA FARANY AO AMIN'NY APOKALIPSY

Daty
Alahady 09 June 2024

Ny hafatra ao amin'ny bokin'ny Apôkalipsy dia mihoatra lavitra noho ny tandindona saro-pantarina sy ny biby hafahafa na koa ny sarin-javatra tsy fahita. Miresaka ny amin'ny fahamarinana mandrakizay nomen'llay Andriamanitra be fitiavana ho an'ny taranaka velona amin'ny andro farany izany. Tarry an-danitra no nanomboka ny ady teo amin'i Kristy sy i Satana, izay momba ny fiankohofana. Ho tonga amin'ny fetra farany mahakasika ny fiankohofana izany.

Ampitahao amin'ny Apôk. 4:11 ny Apôk . 14:9. mona ny hevitra tototra hita ao amin'ny Apokalipsy momba io ady eo amin'ny tsara sy ny ratsy io?

Mifamatotra tsy azo sarahina ny fiankohofana sy ny famoronana manerana ny Apôkalipsy. Ny Apôk. 14:7 dia miantso antsika hiankohoka amin'llay Tompon'ny voary rehetra. Manoloana ny fivoarana miandalana izay nihanahazo vahana teto amin'izao tontolo izao tao anatin'ny roapolo taona izao, ny Sabata dia fampahatsiahivana mandrakizay ny maha-isika antsika. Manamafy mandrakariva izany fa nohariana isika ary ny Mpahary antsika dia mendrika ny fahatokiantsika sy ny fiankohofantsika. Antony iray ankahalan'ny devoly fatratra ny Sabata izany.

Vakio ny Apôk. 12:17 sy ny Apôk. 14:12. Ahoana ny fanehoana fara tampony ny fiankohofana amin'ny Mpahary?

Mifanohitra mivantana amin'ny fiankohofana amin'ny bibidia ny fiankohofana amin'ilay Mpahary amin'ny alalan'ny fitandremana ny didin'Andriamanitra. Hanana vahoaka mahatoky Aminy Andriamanitra amin'ny andro farany na dia eo aza ny fanoherana lehibe indrindra sy ny fanenjehana mivaivay indrindra teo amin'ny tantara.

"Raha ny fitandremana ny sabata sandoka no fanekena ny lalam-panjakana, izay manohitra ny didy fahefatra, ary fiaikena ny fiandaniana amin'ny fahefana manohitra an'Andriamanitra, ny fitandremana ny Sabata marina kosa dia fankatoavana ny lalan'Andriamanitra, sy porofo mazavan'ny toetra mahatoky amin'ny Mpamorona." — HM, t. 631.

Ny Apôk. 14:12 dia manambara fa hanana "ny finoan'i Jesôsy" ireo mpanara-dia ny Mpamonjy izay feno fanoloran-tena. Ny finoan'i Jesôsy dia finoana lalina tokoa ka matoky na dia tsy mahita aza, ary maharitra na dia tsy takany aza ny toe-javatra misy. Fanomezana avy amin'i Jesôsy izay azontsika amin'ny alalan'ny finoana izany, ary hanampy antsika hiatrika ny fifanandrinana ho avy tsy ho ela.

Ny Sabatan'ny andro fahafito dia tandindona maneho ny maha Mpamorona an'Andriamanitra kd tany Edena dia efa nisy izany. Noho izany, ny fitadiavana hisandoka izany, tahaka ny nataon'i Rôma (jereo ny Dan. 7:25) dia fitadiavana hisandoka ny fahefan'Andriamanitra amin'ny fotony indrindra araka izay azo atao. Ahoana no anampian'io fahamarinana io antsika hahatakatra fa io hevitra io no ho anton'ny fifanandrinana toy izany amin'ny andro farany? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.
Sun 05 Jul 2026
Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.
Mon 06 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fahadalana amin’izay ho very.
Tue 07 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA -
Wed 08 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA -
Thu 09 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA -
Fri 10 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal