Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY FIFANANDRINANA FARANY AO AMIN'NY APOKALIPSY

Daty
Alahady 09 June 2024

Ny hafatra ao amin'ny bokin'ny Apôkalipsy dia mihoatra lavitra noho ny tandindona saro-pantarina sy ny biby hafahafa na koa ny sarin-javatra tsy fahita. Miresaka ny amin'ny fahamarinana mandrakizay nomen'llay Andriamanitra be fitiavana ho an'ny taranaka velona amin'ny andro farany izany. Tarry an-danitra no nanomboka ny ady teo amin'i Kristy sy i Satana, izay momba ny fiankohofana. Ho tonga amin'ny fetra farany mahakasika ny fiankohofana izany.

Ampitahao amin'ny Apôk. 4:11 ny Apôk . 14:9. mona ny hevitra tototra hita ao amin'ny Apokalipsy momba io ady eo amin'ny tsara sy ny ratsy io?

Mifamatotra tsy azo sarahina ny fiankohofana sy ny famoronana manerana ny Apôkalipsy. Ny Apôk. 14:7 dia miantso antsika hiankohoka amin'llay Tompon'ny voary rehetra. Manoloana ny fivoarana miandalana izay nihanahazo vahana teto amin'izao tontolo izao tao anatin'ny roapolo taona izao, ny Sabata dia fampahatsiahivana mandrakizay ny maha-isika antsika. Manamafy mandrakariva izany fa nohariana isika ary ny Mpahary antsika dia mendrika ny fahatokiantsika sy ny fiankohofantsika. Antony iray ankahalan'ny devoly fatratra ny Sabata izany.

Vakio ny Apôk. 12:17 sy ny Apôk. 14:12. Ahoana ny fanehoana fara tampony ny fiankohofana amin'ny Mpahary?

Mifanohitra mivantana amin'ny fiankohofana amin'ny bibidia ny fiankohofana amin'ilay Mpahary amin'ny alalan'ny fitandremana ny didin'Andriamanitra. Hanana vahoaka mahatoky Aminy Andriamanitra amin'ny andro farany na dia eo aza ny fanoherana lehibe indrindra sy ny fanenjehana mivaivay indrindra teo amin'ny tantara.

"Raha ny fitandremana ny sabata sandoka no fanekena ny lalam-panjakana, izay manohitra ny didy fahefatra, ary fiaikena ny fiandaniana amin'ny fahefana manohitra an'Andriamanitra, ny fitandremana ny Sabata marina kosa dia fankatoavana ny lalan'Andriamanitra, sy porofo mazavan'ny toetra mahatoky amin'ny Mpamorona." — HM, t. 631.

Ny Apôk. 14:12 dia manambara fa hanana "ny finoan'i Jesôsy" ireo mpanara-dia ny Mpamonjy izay feno fanoloran-tena. Ny finoan'i Jesôsy dia finoana lalina tokoa ka matoky na dia tsy mahita aza, ary maharitra na dia tsy takany aza ny toe-javatra misy. Fanomezana avy amin'i Jesôsy izay azontsika amin'ny alalan'ny finoana izany, ary hanampy antsika hiatrika ny fifanandrinana ho avy tsy ho ela.

Ny Sabatan'ny andro fahafito dia tandindona maneho ny maha Mpamorona an'Andriamanitra kd tany Edena dia efa nisy izany. Noho izany, ny fitadiavana hisandoka izany, tahaka ny nataon'i Rôma (jereo ny Dan. 7:25) dia fitadiavana hisandoka ny fahefan'Andriamanitra amin'ny fotony indrindra araka izay azo atao. Ahoana no anampian'io fahamarinana io antsika hahatakatra fa io hevitra io no ho anton'ny fifanandrinana toy izany amin'ny andro farany? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 05 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Fampidirana
Sun 06 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ilay roimemy nirehitra.
Mon 07 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA -
Mon 07 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA -
Tue 08 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA -
Wed 09 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA -
Thu 10 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA -
Fri 11 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Jun 2025
TELOVOLANA 3: EKSODOSY- DIA MANKANY AMIN’ILAY TANY NAMPANANTENAINA.
Sat 28 Jun 2025
Lesona 1 : FAMPAHORIANA: NY TONTOLON-KEVITRA SY NY FAHATERAHAN’I MOSESY - Fampidirana.
Sun 29 Jun 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA - NY FAHATERAHAN’ I MOSESY - Vahoakan’Andriamanitra tao Egypta.
Mon 30 Jun 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA - NY FAHATERAHAN’ I MOSESY - Ny tontolon-kevitra ara-tantara.
Tue 01 Jul 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Ireo mpampivelona Hebreo.
Wed 02 Jul 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Teraka i Mosesy.
Thu 03 Jul 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Miova ny drafitra.
Fri 04 Jul 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (20)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal