Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Velomy mandrakariva ny fitiavana

Daty
Talata 18 June 2024

"Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo araka izay mety hatao ao amin'ny Tompo. Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, ary aza sosotra aminy." - Kôl. 3:18,19. 

Mofon’aina:
Maro be ny olana sy ny fahoriana ho voasoroka raha kolokoloin'ny lehilahy sy ny vehivavy hatrany ny fifampiheverana, ny fifampitsinjovana, ny teny mamy feno fankasitrahana, ny fifanajana amin'ny zavatra madinidinika eo amin'ny fiainana, izay mamelona ny fitiavana. Hita fa nilaina koa izany teo amin'ny fitadiava-namana tiana niarahana. Raha mitozo amin'izany fifampiheverana mikolokolo fitiavana izany ny mpivady dia ho sambatra eo amin'ny fiarahamonina misy azy tsirairay avy, ary hanana hery miasa mangina eo amin'ny fianakaviany. Ho feno fahasambarana ny tontolo kelin'izy ireo ary tsy haniry hiala ao amin'izany tontolo izany izy mba hitady fitiavana hafa (...).

Maro dia maro ny vehivavy manantena hahazo tambitamby sy teny mamy, ary fanehoam-pitiavana madinidinika avy amin'ny vadiny izay nifidy azy ho namana mandra-maty. (...) Ireny mari-pitiavana madinidinika ireny no mitondra fahasambarana eo amin'ny fiainana. (...) 

Raha mba mitoetra ho malefaka mandrakariva ny fontsika ao an-tokantrano, raha mba fifandeferana sy fifampihainoana amim-pitiavana no asetrintsika ny fanehoan-kevitra sy ny fomba fijerin'ny ankilany, raha mba miezaka ny vehivavy mitady izay fomba hanehoana fitiavana amin'ny vadiny, ary ny lehilahy koa toraka izany amin'ny vadiny, dia hiampita amin' ireo zanany izany toe-tsaina izany. (...)

Ny lahy sy vavy, izay miara-dia eo amin'ny fiainana, dia tokony samy hanao ny fomba rehetra hahasambatra ny anankiray. Izay sarobidy amintsika no arovantsika sy kolokolointsika hihatsara hatrany araka izay azo atao. Nisy fifanakalozana natao sy fanoloran-tena ho mandritra ny fiainana tao anatin'ny fifanekena ara-panambadiana, koa tokony hiezaka araka izay tratra ny lahy sy ny vavy hifehy ny lelany andrao manao teny tsy am-piheverana na feno fahasorenana. Mihoatra noho ny talohan'ny fanambadiana aza ny ezaka tokony hataony satria efa nampiraisin'ny fanambadiana mandritra ny fiainana izy ireo izao, ary na ny lahy na ny vavy dia samy tokony hikely aina mba hitehirizana ny fitiavana ho vao hatrany, dia ilay fitiavana sarobidy nokatsahina fatratra talohan'ny fanambadiana. HP, t. 206. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal