Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fahadisoana novidin-dafo

Daty
Alatsinainy 01 July 2024

« Indro, izao ihany no hitako: nataon'Andriamanitra mahitsy ny olona, kanjo namorona sain-kafa maro izy. » Mpitt. 7:29.

Mofon’aina:
Mirakitra tantara marina momba ny fiainan’ny fiarahamonina sy ny fiainan’ny isam-batan’olona ny bokin’ny Genesisy, kanefa dia tsy mahita velively fitantarana momba ny zaza teraka izay jamba, na marenina, na mandringa, na kilemaina, na tsy vory saina isika. Tsy misy ohatra momba ny fahafatesan’ny zaza menavava, na ny ankizy, na ny tanora vao herotrerony ao (...) Tahaka izao ny filazana manjò ao amin’ny bokin’ny Genesisy: “Ary ny andro rehetra niainan’i Adama dia telo-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.” “Ary ny andro rehetra niainan’i Seta dia roa ambin’ny folo amby sivin-jato taona; dia maty izy”. (...) 

Nomen’Andriamanitra herim- batana lehibe ny olona hany ka voatohitr’izy ireo ny aretina mpahazo ny taranak’olombelona vokatry ny fahazarana manimba, ary nitohy nandritra ny enina arivo taona izany. Io zava-misy io dia porofo ampy hanehoana amintsika ny hery sy ny tanjaka izay nomen’Andriamanitra ny olona tamin’ny famoronana azy. (...) Raha toa i Adama, tamin’ny namoronana azy, ka tsy nomena herim- batana indroapolo avo heny noho izay ananan’ny olona ankehitriny, dia efa ringana ny taranak’olombelona tahaka izay noho ny fahazarany ankehitriny sy ny fiainany mifanohitra amin’ny lalàna voajanahary. (...)

Tsy namorona ny taranak’ olombelona amin’izao toe-tenany marefo ankehitriny izao Andriamanitra. Tsy vokatry ny asan’Andriamanitra io toe-javatra io, fa vokatry ny asan’ny olombelona. Fahazaran-dratsy sy fanararaotana ary fandikana ny lalàna napetrak’Andriamanitra mba hifehy ny fiainan’ny olona no nitondra izany.

Noforonin’Andriamanitra ho voninahiny ny olona, mba hahatonga ny fianakaviàmben’ny olombelona hiray amin’ny fianakaviamben’ny lanitra rehefa avy notsapaina sy nosedraina izy ireo. Fikasan’Andriamanitra ny hameno ny lanitra amin’ny fianakaviamben’ny olombelona, raha toa ka nankatò ny teniny tsirairay izy ireo.

Ho an’i Eva dia toa zavatra kely ny tsy hankato an’Andriamanitra tamin’ny fanandramana ny voan’ny voankazo voarara, sy ny haka fanahy ny vadiny koa mba tsy hankatô; kanefa ny fahotan’izy ireo no nanokatra ny varavarana mba hidiran’ny fahoriana teto amin’izao tontolo izao. Iza no mahalala, amin’ny fotoana itrangan’ny fakam-panahy, ireo vokatra mahatsiravina izay hateraky ny dingana diso iray monja? – CC, t. 21.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal