Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Nahoana no mbola hiandry

Daty
Alarobia 10 July 2024

« Andeha isika hiakatra mihitsy mba hahazoantsika azy, fa haharesy azy tokoa isika.» Nom. 13:30b.

Mofo Naina:   
Ny finoan’i Kaleba an’Andriamanitra no nanome herim-po azy, izay (...) nahatonga azy hijoro am-pahasahiana sy tsy nisy tahotra amin’ny fiarovana ny marina. Avy amin’ny loharano avo toy izany no tsy maintsy nandraisan’ny Jeneralin’ny tafiky ny lanitra, sy ireo miaramila marin’ny hazo fijalian’i Kristy rehetra, hery sy fahasahiana handresena ireo sakana izay toa tsy azo ihoarana matetika (...) Ireo izay manao ny adidiny dia tsy maintsy vonona mandrakariva hanambara ny teny izay omen’Andriamanitra azy, fa tsy ny teny mampisalasala, sy mahakivy ary mandiso fanantenana (...)

Na dia miresaka momba ny tsy fahafahana aza ireo mpierina, ary mihorohoro ny eritreriny ny amin’ny rindrina avo sy ny olona goavam-be, dia avelao i Kaleba mahatoky izay manana “fanahy hafa”, no ho eo anoloana. Ny fahamarinan’Andriamanitra, izay mitondra famonjena no hoentina any amin’ny vahoaka raha toa ka tsy mahafehy ny lalany ireo mpanompo sy mpino izay nanao fanekena, toy ny nataon’ireo mpisafo tany tsy nahatoky (...)

Ny zotom-po sy ny hery no tsy maintsy hamafisina. Ireo talenta izay harafesina vokatry ny tsy fampiasana azy no tsy maintsy manosika ho amin’ny asa. Ny feo izay mety hiteny hoe: “Andraso, aza avela hisy enta-mavesatra eo aminao”, dia feon’ireo mpisafo tany saro-tahotra. Mila Kaleba isika amin’izao fotoana izao, izay afaka hitarika ny Isiraely miaraka amin’ny teny feno fanantenana, mba hanao tatitra mafonja ho an’ny hetsika avy hatrany. Rehefa miezaka mafy ny hitakemotra ireo olona tia tena, mora mitsiriritra, mora azon-tahotra ka mihorohoro eo anatrehan’ireo goavam-be sy ny rindrina tsy azo ihodivirana, dia avelao ho re ny feon’ireo Kaleba, na dia efa vonon-kitora-bato aza ireo kanosa noho ny fanambarana mahatoky ataony.

Amin’ y fanaovan’ireo tsy mino tsinontsinona ny Tenin’Andriamanitra no iantsoana ireo Kaleba mahatoky. Amin’izay fotoana izay izy ireo dia hiorina mafy amin’ny tolon’ny adidy, tsy misy fireharehana, ary tsy miverin- dalàna noho ny fankahalana. Ireo mpisafo tany tsy mpino dia niomana hamono an’i Kaleba. Nahita ny vato teo an-tanan’ireo izay nanao tatitra diso izy, nefa tsy nahasakana azy izany; nanana hafatra izy ary hitondra izany. Io toe-tsaina io ihany no hiseho amin’ireo izay marina amin’Andriamanitra ankehitriny. – CC, t. 107.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal