Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Nahoana no mbola hiandry

Daty
Alarobia 10 July 2024

« Andeha isika hiakatra mihitsy mba hahazoantsika azy, fa haharesy azy tokoa isika.» Nom. 13:30b.

Mofo Naina:   
Ny finoan’i Kaleba an’Andriamanitra no nanome herim-po azy, izay (...) nahatonga azy hijoro am-pahasahiana sy tsy nisy tahotra amin’ny fiarovana ny marina. Avy amin’ny loharano avo toy izany no tsy maintsy nandraisan’ny Jeneralin’ny tafiky ny lanitra, sy ireo miaramila marin’ny hazo fijalian’i Kristy rehetra, hery sy fahasahiana handresena ireo sakana izay toa tsy azo ihoarana matetika (...) Ireo izay manao ny adidiny dia tsy maintsy vonona mandrakariva hanambara ny teny izay omen’Andriamanitra azy, fa tsy ny teny mampisalasala, sy mahakivy ary mandiso fanantenana (...)

Na dia miresaka momba ny tsy fahafahana aza ireo mpierina, ary mihorohoro ny eritreriny ny amin’ny rindrina avo sy ny olona goavam-be, dia avelao i Kaleba mahatoky izay manana “fanahy hafa”, no ho eo anoloana. Ny fahamarinan’Andriamanitra, izay mitondra famonjena no hoentina any amin’ny vahoaka raha toa ka tsy mahafehy ny lalany ireo mpanompo sy mpino izay nanao fanekena, toy ny nataon’ireo mpisafo tany tsy nahatoky (...)

Ny zotom-po sy ny hery no tsy maintsy hamafisina. Ireo talenta izay harafesina vokatry ny tsy fampiasana azy no tsy maintsy manosika ho amin’ny asa. Ny feo izay mety hiteny hoe: “Andraso, aza avela hisy enta-mavesatra eo aminao”, dia feon’ireo mpisafo tany saro-tahotra. Mila Kaleba isika amin’izao fotoana izao, izay afaka hitarika ny Isiraely miaraka amin’ny teny feno fanantenana, mba hanao tatitra mafonja ho an’ny hetsika avy hatrany. Rehefa miezaka mafy ny hitakemotra ireo olona tia tena, mora mitsiriritra, mora azon-tahotra ka mihorohoro eo anatrehan’ireo goavam-be sy ny rindrina tsy azo ihodivirana, dia avelao ho re ny feon’ireo Kaleba, na dia efa vonon-kitora-bato aza ireo kanosa noho ny fanambarana mahatoky ataony.

Amin’ y fanaovan’ireo tsy mino tsinontsinona ny Tenin’Andriamanitra no iantsoana ireo Kaleba mahatoky. Amin’izay fotoana izay izy ireo dia hiorina mafy amin’ny tolon’ny adidy, tsy misy fireharehana, ary tsy miverin- dalàna noho ny fankahalana. Ireo mpisafo tany tsy mpino dia niomana hamono an’i Kaleba. Nahita ny vato teo an-tanan’ireo izay nanao tatitra diso izy, nefa tsy nahasakana azy izany; nanana hafatra izy ary hitondra izany. Io toe-tsaina io ihany no hiseho amin’ireo izay marina amin’Andriamanitra ankehitriny. – CC, t. 107.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal