Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miomana hitarika

Daty
Alahady 14 July 2024

« Ary nisy liona sy bera tonga tao ka nahalasa zanak'ondry teo amin’ny ondry, dia nanenjika azy aho ka namely azy, ary azoko teny am-bavany ilay zanak’ondry; ary nony handramatra ahy izy, dia nohazoniko tamin ’ny somony, ary nasiako ka matiko. ». 1 Sam. 17:34,35.

Mofon’aina:     
Ary i Davida nitombo fitia tamin’Andriamanitra sy ny olona ka niezaka tamin’ny fony rehetra hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Nahita zava-baovao hodinihina indray izy. Ny fotoana laniny tao an-dapan’ny mpanjaka, dia naneho taminy, ankoatra ireo adidy eo amin’ny fitondram- panjakana, ny sasantsasany tamin’ny fakam-panahy namely ny fanahin’i Saoly ary koa nanazava taminy ny zava-miafina momba ny toetrany malahelohelo sy mora tohina. Tsinjony fa alofan’ny lamban’ny lonilony ny satroboninahitry ny fiandrianan’ny mpanjaka ka nanaloka hatrany amin’ny tokantranony izany, izay tsy ahitam-pahasambarana mihitsy. Mba hanadinoany ireny fiheverana mampalahelo ireny, dia noraisiny ny lokangany ka ny feony manga no nanainga ny eritreriny ho any amin’Ilay Mpanao ny soa rehetra sy Mpampisava ny rahona izay nanakona ny fitsinjovana ny hoavy indraindray.

Tahaka ny nanomanany an’i Mosesy hanao ny asany, dia toy izany koa no nanabeazany ny zanak’i Jese ho tonga mpitarika ny olom-boafidiny. Tany am-piandrasana ondry, no nahafantaran’i Davida ny fiahian’Ilay Mpiandry lehibe ny ondriny. Ny havoana mangina sy ny hady haolo niandrasany ny ondriny no nataon’ny bibidia maro fierena. Imbetsaka no nisy liona nivoaka avy tany amin’ny ala matevina any Jôrdana na nisy bera noana avy tany an-davany tonga nihinana ny andian’ondry. Araka ny fanao tamin’izany andro izany, na dia antsamotady sy tehin’ny mpiandry ondry fotsiny aza no hany fiadiana teny an-tanany, dia nampiseho hatry ny ela herim-po sy tanjaka nentiny niaro ireo ondry aman-osy nasaina nandrasany ireo izy. (...) Ireny fanehoam- pahasahiana izay nanabe ny herim-po sy ny fahatoniana ary ny fitokiany an’Andriamanitra ireny no nahatonga ny tandapa handoka azy teo amin’ny mpanjaka ho “lehilahy mahery” ary koa: “Jehovah momba azy". — CC, t. 161.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal