Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Hiran'ady miavaka

Daty
Alakamisy 18 July 2024

"Ary rehefa niara-nihevitra tamin'ny olona Izy, dia nanendry mpihira ho an'i Jehôvah hidera amin'ny fihaingoana masina, raha mivoaka eo anoloan'ny olona efa voaomana hiady, ka hanao hoe: Hidera an'i Jehôvah, fa mandrakizay ny famindram-pony. - 2 Tant. 20:21. 

Mofon’aina:
Fomba tsy mahazatra no nataon'izy ireo handeha hiatrika ady; fiderana an'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny hira, fanandratana an'Andriamanitry ny Isiraely. Izany no hiran'ady noventesin’izy ireo. Manana ny fahatsaran'ny fahamasinana izy ireo. Raha be kokoa ny fiderana an'Andriamanitra asandratra ankehitriny, dia hitombo ny fanantenana, ny herim-po sy ny finoana. Ary moa ve tsy hanatanjaka ny tanan'ireo miaramila mavitrika izay mijoro ankehitriny hiaro ny fahamarinana izany.

Nidera an'Andriamanitra noho ny fandresena azony nomena izy ireo, ary efatra andro taorian'izay dia niverina nirongo harena nobaboina avy amin’ny fahavalony izy ireo, nihira fiderana noho ny fandresena azo.

Rehefa manana fahatakarana lalina kokoa ny amin’ny famindram-po sy ny fitiavan'Andriamanitra isika dia hidera Azy, fa tsy hitaraina. Hanambara ny amin'ny fikarakarana am-pitiavana ataon'Andriamanitra isika sy ny amin'ny fangorahan'llay Mpiandry Tsara. Tsy ho fimonomononana sy fitarainana ny teny hiloatra avy ao am-po. Fiderana, toy ny renirano mikoriana madio, no hipololotra avy ao amin'ireo tena mino an'Andriamanitra marina (...)

Maninona moa raha asandratra ny feo hiventesana hira ara-panahy ety am-pivahinianana ety? Mila mianatra ny Tenin'Andriamanitra isika, mba handinika sy hivavaka. Amin'izay dia hahiratra ny masom-panahintsika hahita ny ao anatin'ny tempoly any an-danitra. Hipaka amintsika ireo feon-kira fisaorana asandratry ny antoko mpihiran'ny lanitra manodidina ny seza fiandrianana.

Rehefa hitsangana sy hamiratra i Ziona, dia hazava aoka izany ny fahazavany ary ho re eo amin'ny fiangonan’ny olo-marina ny hira fiderana sy fisaorana. Tsy ho tazana intsony ireo fahadisoam-panantenana kely sy zava-tsarotra kely.

Jehôvah no mpanampy antsika (...) Tsy nisy manenina izay matoky an'Andriamanitra. Tsy mba mandiso fanantenana na oviana na oviana ireo izay miantehitra Aminy Izy. Raha manao ny asa izay ampanaovin'Andriamanitra antsika isika, ka manara-dia an'i Jesôsy, dia ho tonga lokanga masina ny fontsika, ka ny tady tsirairay amin'izany dia handefa fiderana sy fisaorana ho an 'Ilay nirahin'Andriamanitra hanaisotra ny fahotan'izao tontolo izao. - CC, 1. 218. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 19 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fitaovampiadiana mahery vaika indrindra.
Mon 20 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny soratra masina, fahefana.
Tue 21 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fahamarinana ara-baiboly.
Wed 22 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fitakian’ny Baiboly.
Thu 23 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny toe-po.
Fri 24 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal