Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mitaky asa ny fahalalana

Daty
Alarobia 24 July 2024

"Io Ezra io dia (...) mpanora-dalàna izy sady nahay ny lalàn’i  Mosesy, izay efa nomen’i Jehôvah , Andriamanitry ny Isiraely." - Ezra 7:6.

Mofon’aina:
Roa arivo taona mahery no lasa hatramin'ny nanomanan'i Ezra ny fony "hianatra ny lalàn'i Jehôvah ka hankato izany". Na izany aza anefa dia tsy nampihena ny hery avy tamin'ny ohatra nasehony teo amin'ny fiainam-bavaka izany fotoana izany. Ny tantaram-piainany voatokana ho an'Andriamanitra dia niteraka faniriana tao am-pon'ny mpino maro namakivaky ny taonjato nifandimby hampiomana ny fony "hianatra ny lalan'i Jehôvah ka hankato izany. "  

Masina sady tsara ireo antony nampirehitra ny fon'i Ezra. Nampiseho fitiavana lalina ny fanahy tamin'izay rehetra nataony izy. Ny fangoraham-po sy ny fitiavana nasehony tamin'ireo nanota an-tsitrapo na tsy fanahy iniana, dia tokony hanome lesona koa an'ireo izay niitady hanao fanavaozana. (...)

Tsy azo alefahina na ampitomboina ny lalan'Andriamanitra. Araka izay maha-izy azy ihany no hijanonany ho izy. Masina, marina, tsara, sy tanteraka ho azy lalandava izy, ary hijanona ho izany mandrakizay.(...)

Tokony hiomana amin'ilay oram-baratra efa madiva hisafoaka sy hanampoka azy amin'ny fomba mahatsiravina ny Kristianina. Ary amin'izany fiomanana izany dia ilaina ny fandinihana lalina ny Tenin'Andriamanitra sy ny fiainana mifanaraka amin'ny fitsipiny. Mitaky zavatra hafa noho ny fivavahana noforonin'ny saina, natao tamin'ny teny sy ny fombafomba fotsiny izay tsy misy fahamarinana ilay fiafarana mahatahotra ho amin'ny mandrakizay. (….)

Raha niseho ho vavolombelona tsara tokoa ireo olo-masin'ny Testamenta Taloha, nahoana ireo nandray ny fahalalana voangona nandritra ny taonjato maro no tsy hijoro ho vavolombelona mamirapiratra kokoa hatrany ho an'ny fahamarinana?

Avelantsika hampianatra antsika momba ny fomba tokony hampiasana ny fahalalana ananantsika momba ny Soratra Masina ve ny ohatra nasehon’i Ezra? Tokony hanosika antsika hanompo ny Tompo amin’ny fontsika sy ny saintsika ary ny herintsika rehetra ny fiainan'io mpanompon'Andriamanitra io. Samy manana ny asa izay nanendrena antsika avy isika, ary amin'ny alalan’ny ezaka nohamasinina irery ihany no hahatontosa izany. Tsy maintsy milofo hahafantatra ireo zavatra takin'Andriamanitra aloha isika, ary avy eo dia hampihatra izany eo amin'ny fiainana. Rehefa izany dia afaka hamafy ny fahamarinana isika, izay hitondra vokatra ho amin'ny fiainana mandrakizay.CC,t. 260.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal