Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ao amin'ny Efitra masina indrindra

Daty
Alarobia 07 August 2024

"Jehôvah dia ao amin’ny  tempoliny masina; Mangìna eo anatrehany, ry tany rehetra!" — Hab. 2:20. 

Mofon’aina:
Nahita seza fiandrianana aho, ary ny Ray sy ny Zanaka no nipetraka teo amboniny. Nodinihiko ny endrik'i Jesôsy ary talanjona aho nahita ny hatsaran-tarehiny. Tsy afaka nahita ny endriky ny Ray aho satria nisy rahona mazava be voninahitra nanarona Azy. Nanontaniako i Jesôsy raha mitovy endrika Aminy koa ny Ray. Dia nanaiky Izy, kanefa tsy azoko natao ny nibanjina Azy satria hoy Izy: "raha vantany vao mandinika ny voninahitry ny tavany ianao, na indray mandeha aza, dia ho ringana tokoa." (...)

Hitako ny Ray nitsangana avy teo amin'ny seza fiandrianana, nitaingina kalesy afo, niditra tao amin'ny efitra masina indrindra, ary nipetraka. (...) Avy eo dia nisy kalesy rahona nanana kodiarana afo sy voahodidin'ny anjely nanatona ny toerana nisy an'i Jesôsy. Niditra tao amin'ilay kalesy i Jesôsy ary nentina ho ao amin'ilay efitra masina indrindra izay nisy ny Ray. Nobanjiniko teo i Jesôsy, Ilay Mpisoronabe lehibe, nijoro teo anatrehan'ny Ray.

Nisy kerobima tsara tarehy nijoro teo amin'ny andaniny roan'ny fiaran'ny fanekena, ireo elany nivelatra teo amboniny, ka ny tendrony dia nifampikasoka teo ambonin'ny lohan'i Jesôsy raha nijoro teo anoloan'ny rakotra fanaovam-panavotana Izy. Nifampitodika ireo kerobima roa ireo, ary ny tavan'izy ireo niondrika teo amin'ny fiaran'ny fanekena, nisolo tena ny tafiky ny anjely izay mibanjina amim-pahalianana ny lalàn'Andriamanitra. Nisy lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra teo anelanelan'ireo kerobima roa, ary rehefa tonga eo amin'i Jesôsy ny vavaka ataon'ireo olo-masina amim-pinoana, ka entin'i Jesôsy eo anatrehan'ny Ray, dia misy setroka mani-pofona misandratra avy eo amin'ilay fandoroana ditin-kazo, miloko maro mahafinaritra indrindra. Nisy voninahitra mazava mahajambena teo ambonin'ilay toerana nijoroan'i Jesôsy (...).

Mifona ho antsika eo anatrehan'ny Ray, eo amin'ny seza fiandrianan'ny fahasoavana, Ilay Tompontsika nohomboana teo amin'ny hazo fijaliana. Azontsika italahoana famelan-keloka, fanamarinana, fahamasinana, ny sorona nataony ho fanavotana antsika. Ilay Zanak'ondry voavono no hany fanantenana ho antsika. Miandrandra mijery Azy ny finoantsika, mamikitra Aminy Izay mahavonjy antsika tanteraka, Ilay ankasitrahan'ny Ray ny hanitry ny fanatitra nateriny indray mandeha. — GAG, t. 71. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny
Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO!: Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal