Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mba ho eo amin’Andriamanitra isika

Daty
Zoma 09 August 2024

"(...) Fitiavana mandritra ny fotoana tsy voafetra no itiavako anao. Izany no antony nisarihako anao, ka ny hatsaram-panahiko feno fitiavana no nentiko nanintonana anao." — Jer. 31:3 (DIEM). 

Mofon’aina:
Notafian'ny Tompon'ny aina sy ny voninahitra tamin'ny maha-olombelona ny maha-Andriamanitra Azy mba hanehoana amin'ny olona fa to hampifandray antsika Aminy Andriamanitra amin'ny alalan'ny fanomezany an'i Kristy. Tsy mety hisy fahasambarana raha tsy misy fifandraisana amin'Andriamanitra. Natao ho fantatry ny olombelona lavo fa tsy afa-po ny Raintsika any an-danitra raha tsy manatratra ny mpanota mibebaka ny fitiavany, izay manova azy amin'ny alalan'ny fahamendrehan'Ilay Zanak'ondrin'Andriamanitra tsy misy kilema. 

Ho amin'izany tanjona izany ny asan'ireo anjelin'ny lanitra. Natao hiasa hanatanteraka ny baikon'Ilay Lehibeny izy ireo, hitady ny very, dia ireo izay tafasaraka tamin'Andriamanitra noho ny fandikan-dalàna. Nisy drafitra novolavolaina mba ho hitan'izao tontolo izao ny fahasoavana sy ny fitiavana mahagagan'i Kristy. Tao amin'ny vidiny tsy manam-petra naloan'ny Zanak'Andriamanitra ho fanavotana ny olona no nisehoan'ny fitiavan'Andriamanitra. Ampy hamonjena izao tontolo izao manontolo io drafi-panavotana be voninahitra io. Azo atao ho tanteraka ao amin'i Jesosy Kristy ny olona mpanota sy lavo amin'ny alalan'ny famelana ny helony sy ny fanisana ho azy ny fahamarinan'i Kristy. 

Tamin'ireo asa soa rehetra nataon'i Jesosy dia nezahiny ny hampahafantatra antsika ny toetran'ny Ray miahy sy mikarakara ny zanany. (...) Tian'i Jesosy ho takatsika ny fitiavan'ny Ray ary amin'ny fahasoavan'ny maha-Raintsika Azy no isarihany antsika ho eo Aminy. (...)

Tonga haneho ny fitiavan' Andriamanitra amin'izao tontolo i Kristy mba hitaomany ny fon'ny olona rehetra ho Aminy. (...) Ny dingana voalohany mankamin'ny famonjena dia ny famaliana ny fitiavan'i Kristy misarika antsika. (...) Ny mba hahafantaran'ny olona ny fifalian'ny famelan-keloka sy ny fiadanan'Andriamanitra no isarihan'i Kristy azy ireo amin'ny fanehoam-pitiavany toy izany. Raha manaiky hotaominy izy ireo ka manolotra ny fony hiasan'ny fahasoavany, dia hitarika azy ireo tsikelikely ho amin'ny fahalalana Azy amin'ny fahafenoany i Kristy, ary izany no fiainana mandrakizay. — GAG, t. 99.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal