Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Faneken’Andriamanitra mandrakizay

Daty
Alatsinainy 12 August 2024

« Mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay Izy, dia ilay teny izay voadidiny ho an'ny taranaka arivo mandimby. » — Sal. 105:8. 

Mofon’aina:
Mitana ny teny fikasana rehetra efa nomeny Andriamanitra. Ataovy an-tanana ny Baibolinao ka lazao hoe: "Efa nanao araka ny Teninao aho. Ity ny teny fikasanao: `Mangataha, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita hianareo; dondony, dia hovohana hianareo.' — Mat: 7:7". (...) 

Ny avana manodidina ny seza fiandrianana dia toky fa marina Andriamanitra, fa tsy misy eo Aminy fiovaovana, na aloky ny fiodinana. Nanota taminy isika, ka tsy mendrika ny fankasitrahany; nefa Izy mihitsy no nametraka teo imolotsika ity fangatahana mampihetsi-po indrindra ity: "Noho ny amin'ny anaranao dia aza arianao izahay; aza atao tsinontsinona ny seza fiandrianan 'ny voninahitrao; tsarovy, ka aza tsoahina ny fanekenao taminay." - Jer. 14:21. Rehefa manatona Azy isika miaiky ny tsy fahamendrehantsika sy ny fahotantsika, dia mihaino ny fitarainantsika Izy. Nanao antoka ny voninahitry ny seza fiandrianany ho fanatanterahana ny teniny amintsika Izy.

Izay rehetra manolo-tena ho amin' ny fanompoana ny Tompo, ka mahafoy ny zavatra rehetra, dia omens hery hahazoany vokatra tsy hay tombanana. Efa nanao fanekena mandrakizay ny Tompo Andriamanitra fa hanampy hery sy fahasoavana ho an' izay rehetra nohamasinin'ny fankatoavana ny fahamarinana. (...) 

Tombontsoan'ny Kristianina rehetra ny mivavaka toy ny nataon'i Nehemia (jereo ny Neh. 1 sy 2) amin'ny fotoana ilana izany ka toa tsy misy fomba hafa azo atao. Afaka manandratra vavaka ho fangatahana ny fitarihan'Andriamanitra ny mpiasa maro erehina ao anatin'ny rotoroton'ny fiainana, ireo izay voahodidin'ny olana sy mila ho safotry ny fahaverezan-kevitra. (...) Amin'ny fotoana isehoan'ny loza tampoka, ny fo dia afaka miantso vonjy amin'Ilay efa nanome toky fa ho avy hanampy ny olony mahatoky sy mino, na oviana na oviana no iantsoan'izy ireo Azy. Ary na aiza na aiza no misy azy, na amin'ny endri-javatra manao ahoana na manao ahoana, na torovan'alahelo, na ketraka noho ny ahiahy, na tafihin'ny fakam-panahy, dia hahita antoka sy fiarovana ary ny fampaherezana izy ireo ao amin'Ilay fitiavana tsy mety levona sy ny herin'Andriamanitra Izay tsy mivadika amin'ny teny nomeny. —GAG, t. 157. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal