Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tena sarobidy kanefa maimaimpoana

Daty
Alakamisy 15 August 2024

 "Koa tahaka ny nahatongavan'ny fanamelohana ho an'ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray no nahatongavan'ny fanamarinana ho amin'ny fiainana kosa ho an'ny olona rehetra noho ny fahamarinana iray." — Rom. 5:18. 

Mofon’aina:
Tsy misy vola mahavidy, na saina mahatakatra, na   fahefana mahabaiko izany, nefa omena maimaimpoana ho an' izay rehetra manaiky handray azy ny fahasoavan'Andriamanitra be voninahitra. Mety hahatsapa ny filany anefa ny olona, ary hiala amin'ny fitokian-tena rehetra ka handray ny famonjena toy ny fanomezana. Tsy noho ny fahamarinan'ny tenany no hahazoan'ireo voavonjy mianika ny rindrin'ny Paradisa, ary tsy ny fanatitra volamena na volafotsy lafo vidy no hanokatra ny vavahadiny, fa ny fahamendrehan'ny hazo fijalian'i Kristy no hahazoan' izy ireo miditra ao amin'ireo fitoerana maro ao an-tranon' ny Ray.

Ny fiononana lehibe indrindra ho an'ny mpanota, ny antony lehibe indrindra tokony hifaliana dia izao: nomen'ny lanitra i Jesiisy ho Mpamonjy fly mpanota (...). Nanolo-tena handia ilay tany nahasolafaka sy nahalavo an'i Adama Izy mba hifanatrika amin' ilay mpaka fanahy eo an-tanim-piadiana sy handresy azy, ho an'ny olombelona. Banjino Izy nalaim-panahy tany an' efitra. Nifady hanina efapolo andro sy efapolo alina Izy, niaritra ny famelezana mahery vaika indrindra avy amin'ny herin'ny maizina. (...) (Isa. 63:3). Tsy ho an'ny Tenany izany, fa mba hanapahany ny fatoran'ny fanandevozan'i Satana, izay mangej a ny taranak' olombelona.

Nitady izay hahazoana hery .avy amin-dRainy i Kristy mba hahafahany miatrika ny fotoan-tsarotra sy ny fitsapana, ary izany no tokony hataontsika. Natao hanaraka ny ohatr' Ilay Zanak'Andriarnanitra tsy manan-tsiny isika. (...) Tsy maintsy miantoraka eo amin'Ilay vonona hamonjy antsika amin'ny fotoana rehetra ilana izany ny fanahintsika malemy. Matetika loatra isika no manadino ny Tompo. Mora manaonao foana ny "izaho", ary dia very ny fandresena tokony ho azontsika.

Raha resy isika dia aoka hibebaka faingana sy hanaiky ny famelan-keloka, fa izany no hanome antsika tombon-kery. (...) Omena antsika maimaim-poana ny fahasoavany mamonjy. Atolony ho an'izay rehetra mandray izany ny famelan-keloka. (...) Isaky ny misy mpanota iray mibebaka dia mifaly sy mihoby ireo anjelin' Andriamanitra. Tsy misy mpanota tokony ho very na iray aza. Ny fahasoavana dia fanomezana mahavonjy tanteraka sy maimaimpoana. — GAG, t. 179.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1:
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1:
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1:
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1:
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1:
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1:
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1:

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (42)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal