Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fanampiana avy any an-danitra

Daty
Alakamisy 22 August 2024

 "Indro, efa nomeko fahefana hanitsaka menarana sy maingoka sy handresy ny hery rehetra ananan'ny fahavalo hianareo (...)." - Lio. 10:19. 

Mofon’aina:
Lasan-ko babon'i Satana ara-dalàna ny olombelona lavo. Ny hamonjy azy amin'ny herin' io fahavalo lehibe io no asa nanirahana an'i Kristy. Manjary fironana ao anatin'ny olona ny manaraka ny tolo-tsaina avy amin'i Satana, ary tsy hainy toherina io fahavalo tsy mifaditrovana io raha tsy mitoetra ao anatiny i Kristy, Ilay Mpiady mahery, mitarika ny faniriany sy manome hery azy. Andriamanitra irery ihany no mahay mametra ny herin' i Satana. (...) Fantatr'i Satana tsara, mihoatra ny ahafantaran'ny olona izany, ny hery lehibe mety hananan'ny olona handresena azy raha ao amin'i Kristy ny heriny. Na ny mpino malemy indrindran'ny fahamarinana aza, rehefa mitalaho fanampiana amim-panetren-tena amin'Ilay Mpiady mahery, ka miantehitra tanteraka amin'i Kristy, dia afaka handresy amim-pahombiazana an'i Satana sy ny tafiny rehetra. (...)

Hamory ny anjeliny rehetra i Satana hanohitra ny fandrosoan'ny fanahy, na dia fanahy iray monja aza, ary raha azony atao dia handrombaka azy eo an-tanan'i Kristy izy. (...) Saingy raha mitozo izany fanahy tsy manan-kery sy tandindomin-doza izany, ka miantoraka amin'ny fahamendrehan'ny ran'i Kristy, dia hihaino ny vavaka mafana ataony amim-pinoana ny Mpamonjy ary haniraka anjely mahery maro hanafaka azy. (...) Mangovitra i Satana sy ny tafiny manontolo eo am-pandrenesana ny vavaka mafana ataon'ny olona.

Tsy inona fa ny fangorahan'i Kristy be fitiavana, ny fahasoavany, sy ny heriny tsitoha, no mahay manome hery antsika hampitakemotra ity fahavalo be kiry ity, sy hahafehy ny fanoheran'ny fontsika. Inona no herintsika? Ny fifaliana avy amin'ny Tompo. Aoka hameno ny fontsika ny fitiavan'i Kristy, dia ho vonona isika handray ilay hery efa voaomana ho antsika. (...)

 Ny mpikatsaka ny fahamarinana, izay mibanjinana an'i Kristy mba hanahafany Azy, dia mahita ny fahatanterahan'ny foto-kevitry ny lalàn' Andriamanitra, ary manjary tsy mety ho afa-po na amin' inona na amin' inona afa-tsy amin'ny fahatanterahana ihany. (...) Tsy maintsy hisy ady atao amin'ireo toetra nambolen' i Satana (...). Fantany anefa fa manana hery mahavonjy ny Mpanavotra, izay hampandresy azy ao anatin'ny ady. — GAG, t. 239.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal