Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Firaisana amin’i Kristy

Daty
Talata 27 August 2024

"Fa itafio Jesosy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin' ny nofo hahatanteraka ny filany." - Rôm. 13:14. 

Mofon’aina:
Amin'ny fomba maro no anatanterahan'Andriamanitra ny famonjena ny olona. Amin' ny alalan'ny Teniny sy ny mpanom-pony no. itenenan'Andriamanitra amin' izy ireo, ary mandefa hafatra fampitandremana, fananarana, sy fampianarana amin'ny alalan'ny Fanahy Masina Izy. Natao hanokatra ny sain'ny olona ireo fomba ireo, hampahafantatra azy ny adidiny sy ny fahotany ary ny fitahiana mety ho azony, hahatsapan'izy ireo ny tsy fahampiany ara-panahy, mba hanatonany an'i Kristy ka hitadiavany ao Aminy ny fahasoavana ilainy. (...)

Tsy maintsy misafidy an'i Kristy ho an'ny tenantsika isika, satria Izy no nifidy antsika voalohany. Tsy maintsy ananan'ny olombelona, izay tonga fahavalon'i Kristy, io firaisana Aminy io. Fianteherana tanteraka amin'i Kristy izany, izay natao hanolorana ny fo amim-pitokiana. Asa mafy izany, ary maro amin' ireo mitonona ho mpanara-dia an'i Kristy no tsy mahalala izany akory. Manaiky an'i Kristy am-bava izy ireo fa tsy manaiky Azy ho hany Mpanapaka ny fony. (...)

Mitaky ezaka ny famoizana ny sitrapon'ny tena, ny zavatra tiana na irina, ary maro no miahotra sy mitakemotra manoloana izany. Kanefa izay niova fo marina dia tsy maintsy miatrika io ady io. Tsy maintsy miady amin'ny fakam-panahy avy any ivelany sy avy ao anatiny isika. Tsy maintsy mandresy ny "izaho" isika, manombo ny fironana sy ny filan-dratsy, ary manomboka eo ny firaisan'ny fanahintsika amin'i Kristy. (...) Rehefa ananantsika io firaisana io dia tsy misy afa-tsy ny ezaka mitohy sy ny fikelezana aina no ahazoana mitahiry azy. Mampiasa ny heriny i Kristy hiarovana sy hiambenana io firaisana masina io, ary ny mpanota tsy manan-kery kosa dia tsy maintsy manao anjarany ka tsy ho sasatra, raha tsy izany dia hampisaraka azy amin'i Kristy ny herin'i Satana (...).

Ny fahaterahanao, ny lazanao, ny harenanao, ny talentanao, ny fahendrenao, ny fitiavam-bavakao, ny fitiavanao ny namanao, (...) dia tsy hahatonga ny fanahinao hifamatotra amin'i Kristy (...) raha tsy mino an'i Kristy ianao. Tsy ampy ny mino izay voalaza momba Azy fotsiny, fa ny mino Azy mihitsy. Tsy maintsy miankina tanteraka amin'ny fahasoavany mahavonjy ianao. — GAG, t. 321. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -
Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal