Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miandrandrà

Daty
Sabotsy 31 August 2024

 "Ampionony, ampionony ny oloko, hoy Andriamanitrareo; mitoria teny soa mahafaly amin’i Jerosalema, ka lazao aminy fa vitra ny adiny, sady voavela ny helony, ary efa nandray indroa heny tamin'ny tànan’i Jehôvah izy ho valin 'ny fahotana rehetra nataony." - Isa. 40:1,2. 

Mofon’aina:
Nampahafantarina ny fiangonana ny planina mandrakizain' i Jehôvah, tamin'ny fotoana faran'izay manjombona niadiany tamin'ny ratsy. Navela hahita ny fandresena ho avy izy teo anivon'ny fotoan-tsarotra nolalovany, dia ny fifaranan'ny ady sy ny fandraisan'ny voavotra ny Tany nampanantenaina. Ireo fahitana momba ny voninahitra ho avy ireo, (...) dia tokony ho sarobidy amin'ny fiangonany ankehitriny, dia amin'izao firimorimon'ny fifaranan' ilay ady efa naharitra ela izao, ka efa ho tanteraka amin'ny fahafenoany ireo fitahiana nampanantenaina.

Ho antsika izay eo an-katoky ny fahatanterahan' izany, ny famariparitana ireo zavatra ho avy ireo dia manan-danja sy iankinan' aina tokoa — trangan-javatra izay, hatramin'ny fotoana nanalaviran'ireo ray aman-drenintsika voalohany an'i Edena, dia nandrasan' ireo zanak' Andriamanitra sy nandrandrainy, ary niriny fatratra sy nivavahany mba ho tonga!

Ry mpivahiny namako, mbola ao anatin'ny aloka sy ny hotakotaky ny raharahan' izao tontolo izao isika, saingy tsy ho ela dia hiseho ny Mpamonjintsika, hitondra fanafahana sy fitsaharana. Aoka isika hibanjina amim-pinoana io hoavy feno hasambarana io, araka ny nanoritsoritan'Andriamanitra azy. Mamoha midanadana ny vavahadin'ny Paradisa Ilay maty noho ny fahotan'izao tontolo izao, ho an'izay rehetra mino Azy. (...) Tsy ho ela dia ho hitantsika Ilay niorenan'ny fanantenantsika ny fiainana  mandrakizay. Toa tsinontsinona ireo fitsapana sy fahoriana teto amin'ity fiainana ity eo anatrehany.

"Tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby an-tsaina akory aza". "Koa aza manary ny fahasahianareo izay misy valiny lehibe. Fa tokony hanana faharetana hianareo mba hahazoanareo izay lazain 'ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon'Andriamanitra. Fa rehefa afaka kelikely, dia ho tonga Ilay ho avy". "Fa ny Isiraely kosa ho vocrvonjin'i Jehôvah amin 'ny famonjena mandrakizay, tsy ho menatra na hangaihay mandrakizay mandrakizay hianareo. " Isa. 65:17; Heb. 10:35-37; Isa. 45:17.

Andrandrao ny masonareo! Atrakao ny fijery! Aoka hitombo hatrany ny finoanareo! Aoka izany no hitarika anareo eo amin'ilay lalàna ety mankeo amin'ireo vavahadin'ny tanànan'ny lanitra, fidirana ao amin'ny voninahitra lehibe sady tsy manam-petra voatahir) ho an'ny voavotra. — GAG, t. 372. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal