Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miasa ho an'Andriamanitra

Daty
Alatsinainy 02 September 2024

 "Farany, miraisa saina hianareo rehetra, ka miaraha mifankatia tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena." - 1 Pet. 3:8. 

Mofon’aina:
Lehibe tokoa ny ilana ny fikolokoloana fahalemem-panahy sy fahamoram-po. Tsy tokony hahamenatra ny fanehoana fahalemem-panahy sy fangorahana arnin'ireo mania (...).

 Rehefa tojo zava-tsarotra ny fiainan'ny. fanahy iray ka manome torohevitra azy ny hafa, dia tsy hanana afa-tsy ny lanj an' ny hery miasa mangina ho amin'ny tsara izany torohevitra izany (...). Ny fiainana mijoro tsara sy ny fanehoana fahalianana vokatry ny fo sy tahaka ny an'i Kristy amin'ilay fanahy tandindomin-doza no hampanan-kery ny torohevitra amin'ny fandresen-dahatra sy ny fitarihana azy ho amin'ny lalana mahavelona. Manao ny asan'i Satana (...) ireo izay malaky mitsikera ny hafa sy manao teny manindrona ary manitatra ny ferin'ny fanahy efa maratra rahateo. (...)

 Aoka hotsaroan'ireo izay azon' ny fakam-panahy sy fitsapana fa Andriamanitra no hamonjy azy amin'ny fahafatesana rehefa tonga aminy ny famaizana. Aoka ny fanahy izay anarina hahatsiaro fa "izay rehetra tiako no anariko sy faizako" - Apôk. 3:19.

Ny mpiasa vonton'ny Fanahin'i Kristy dia hiambina ireo fanahy tahaka ny hoe hampamoahana ny amin'izy ireo izy. Miantefa amintsika ny fitakian'i Kristy; tokony ho takatsika ny adidintsika ary hataontsika amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra, ho voninahiny irery ihany, mba ho hita ho mahatoky isika. Aoka tsy hisy fisainana momba ny tena na fihetsehampo hanakana ny molotra tsy hiteny. (...) Mampitandrema, mananara, ary mitalahoa, amin'ny fo feno fangorahana sy fitiavana ny hafa. 

Aza mitsahatra ny miasa ho an'ny fanahy iray raha mbola misy tara-panantenana kely monja. Mety hanindrona hatrany amin'ny fo ny teninao, koa mitandrema ary aoka hotafinao ny fitiavan'i Jesôsy sy ny fahalemem-panahiny izany. Aoka halefahina amin'ny fitiavana sy ny firaisam-po ny fomba fiteny. (...) Tahaka izay ataonao amin'ny hafa sy itsaranao ny hafa, no hataon'ny Tompo aminao sy hitsarany anao. Aoka ny mpiasa izay mitonona ho zanak'Andriamanitra hampihatra ny lesona nomen'i Kristy. Raha (...) mandratra izy dia aoka hahatsapa fa adidiny ny manasitrana. Aoka hambara amin'ny fitiavana mandrakariva ny fahamarinana (...).- TDG, t. 21. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal