Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miaina ilay fiainam-baovao

Daty
Alatsinainy 09 September 2024

  "Koa amin'izany na inona na inona tianareo hataon'ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany; fa izany no lalàna sy mpaminany." - Mat. 7:12. 

Mofonˋaina:
Tonga mba hampianatra antsika i Kristy, tsy izay tokony ho   fantatsika sy hinoantsika ihany, fa izay tokony hataontsika koa eo amin'ny fifandraisana amin' Andriamanitra sy amin'ny olombelona namantsika. Mandidy antsika ny fitsipika volamenan'ny rariny mba hanaovantsika amin'ny hafa araka izay tiantsika hatao amintsika. Aoka hobanjinintsika mandrakariva ny momba ny mandrakizay, ka hanao amin'ny tenantsika isika hoe: "olom-boavidin'ny ran'ny Mpamonjy ireo, novidina tamin'ny sandany lafo."

 Eo amin'ny fitondrantsika ny namantsika, na mpino izy ireo na tsia, dia tokony hanao aminy araka izay hataon'i Kristy isika, raha eo amin'ny toerantsika Izy. (...) Ny tanjontsika ambony indrindra dia ny ho tonga mpitsabo misiônera ho azy ireo araka ny baikon'i Kristy. (...)

Tsy maintsy mametraka an'i Kristy ho lohalaharana eo amin'izay rehetra ataony ny olona rehetra miditra amin'ny vavahady volamenan'ny tanànan'Andriamanitra. Izany no mahatonga azy ireo ho mpitondra hafatr'i Kristy, ho vavolombelony. Tsy maintsy manao fanambarana mazava sy hentitra izy ireo, fanambarana izay manohitra ny fanao ratsy, ka mampitodika ny olona ho amin'ilay Zanak' ondrin ' Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao. (...)

Ny fananganana anaka no hany lalana ahazoantsika manatratra ilay tanàna masina. Tery izany lalana izany, sy ny vavahady hidirantsika, kanefa eo no tsy maintsy hitarihantsika ireo lehilahy sy vehivavy ary ankizy ka ampianarantsika azy ireo mba hahatonga azy ho voavonjy; tsy maintsy manana fo sy fanahy vaovao izy ireo. Tsy maintsy ovana ny faniriana voajanaharin'ny fo. Tsy maintsy havela ny famitahana rehetra, ny hevi-diso rehetra, ary ny fitenenan-dratsy rehetra. Tsy maintsy iainana ny fiainam-baovao izay mahatonga ny lehilahy sy ny vehivavy ho tahaka an'i Kristy. (...) 

Ety ny lalana mankany an-danitra, ary ny lalàn'i Jehôvah no mamefy izany. Tsy maintsy mandà ny tenany mandrakariva izay manaraka izany lalana izany. Tsy maintsy mankatô ireo fampianaran'i Kristy izy. (...) Aoka isika tsy hitoky amin'olombelona, fa amin'i Jesôsy Kristy izay efa maty mba hambaboany antsika ho amin'ny fahamarinana. - TDG, t. 108. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1:
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1:
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1:
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1:
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1:
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1:
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1:

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (42)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal