Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Velona ho an’Andriamanitra

Daty
Alarobia 11 September 2024

« Ary amin'izany na zovy na zovy no hanaiky Ahy eo anatrehan'ny olona, dia hekeko kosa izy eo anatrehan'ny Raiko Izay any an-danitra. Fa na zovy na zovy no handà Ahy eo anatrehan'ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan'ny Raiko Izay any an-danitra. » - Mat. 10:32,33. 

Mofon’aina:
Ahoana àry? Moa ve isika mitory an'i Kristy eo amin'ny fiainan-tsika andavanan- dro? Moa ve isikamitoryAzyeo amin'nyfitafiantsika, ka manao fitafiana (...) tsotra? Moa ve sarobidy eo imason'Andriamanitra ny fihaingoan'ny fahalemem-panahy sy ny fanahy tony ananantsika? Moa ve isika mikatsaka ny hampandrosoana ny asan'ny Tompo? Moa ve mazava ny tsipika mampisaraka anao amin'izao tontolo izao, sa mikatsaka ny hanaraka ireo fironan' izao vanim-potoana mitotongana izao ianao? Moa ve misy fiavahana eo aminao sy ireo araka izao tontolo izao? Moa ve ny toe-tsaina ao amin'ireo zanaky ny tsy fankatoavana ihany no ao anatinao? 

O! Raha tsaroantsika fa tonga nahantra i Kristy mba hampanan-karena antsika ny fahantrany, moa ve tsy hikatsaka izay hanomezam-boninahitra ny Anarany isika ary hampandroso ny asany? Tokony hitoetra ao Aminy tahaka ny sampana mitoetra ao amin'ny voaloboka isika; hoy i Jesôsy: "Izaho no voaloboka, hianareo no sampana. Izay miray Amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa hianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona. (..) Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro hianareo." - Jao. 15:5,8.

Raha tanterahintsika izany baikon' ny Tompo izany dia ho samy hafa ny endriky ny raharaha ao amin'ny fiangonantsika, ary tokony ho tsapantsika ny fanetsehana lalin'ny Fanahin'Andriamanitra. (...) Tokony ho an' i Kristy (...) ny fiainantsika, ka rehefa hiseho isika dia mba hiseho hiaraka Aminy amim-boninahitra koa. Tokony hanakaiky an'i Kristy isika, mba hahalalan'ny olona fa miaraka Aminy isika ary nianatra Taminy. (...) Aoka ny masonao hibanjina an'i Kristy. Katsaho ny hanakaiky an'Andriamanitra amin'ny saina feno fanetren-tena. (...)- TDG, t. 139.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal