Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Velona ho an’Andriamanitra

Daty
Alarobia 11 September 2024

« Ary amin'izany na zovy na zovy no hanaiky Ahy eo anatrehan'ny olona, dia hekeko kosa izy eo anatrehan'ny Raiko Izay any an-danitra. Fa na zovy na zovy no handà Ahy eo anatrehan'ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan'ny Raiko Izay any an-danitra. » - Mat. 10:32,33. 

Mofon’aina:
Ahoana àry? Moa ve isika mitory an'i Kristy eo amin'ny fiainan-tsika andavanan- dro? Moa ve isikamitoryAzyeo amin'nyfitafiantsika, ka manao fitafiana (...) tsotra? Moa ve sarobidy eo imason'Andriamanitra ny fihaingoan'ny fahalemem-panahy sy ny fanahy tony ananantsika? Moa ve isika mikatsaka ny hampandrosoana ny asan'ny Tompo? Moa ve mazava ny tsipika mampisaraka anao amin'izao tontolo izao, sa mikatsaka ny hanaraka ireo fironan' izao vanim-potoana mitotongana izao ianao? Moa ve misy fiavahana eo aminao sy ireo araka izao tontolo izao? Moa ve ny toe-tsaina ao amin'ireo zanaky ny tsy fankatoavana ihany no ao anatinao? 

O! Raha tsaroantsika fa tonga nahantra i Kristy mba hampanan-karena antsika ny fahantrany, moa ve tsy hikatsaka izay hanomezam-boninahitra ny Anarany isika ary hampandroso ny asany? Tokony hitoetra ao Aminy tahaka ny sampana mitoetra ao amin'ny voaloboka isika; hoy i Jesôsy: "Izaho no voaloboka, hianareo no sampana. Izay miray Amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa hianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona. (..) Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro hianareo." - Jao. 15:5,8.

Raha tanterahintsika izany baikon' ny Tompo izany dia ho samy hafa ny endriky ny raharaha ao amin'ny fiangonantsika, ary tokony ho tsapantsika ny fanetsehana lalin'ny Fanahin'Andriamanitra. (...) Tokony ho an' i Kristy (...) ny fiainantsika, ka rehefa hiseho isika dia mba hiseho hiaraka Aminy amim-boninahitra koa. Tokony hanakaiky an'i Kristy isika, mba hahalalan'ny olona fa miaraka Aminy isika ary nianatra Taminy. (...) Aoka ny masonao hibanjina an'i Kristy. Katsaho ny hanakaiky an'Andriamanitra amin'ny saina feno fanetren-tena. (...)- TDG, t. 139.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (27)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal