Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Aboray ny fahatezaranao

Daty
Alarobia 07 February 2024

Vakio ny Sal. 58:6-8; Sal. 69:22-28; Sal. 83:9-17; Sal. 94:1,2; sy ny Sal. 137:7-9. Inona ny fihetseham-po ampitaina ao amin'ireo Salamo ireo? Iza no voalaza fa mpitsara ao?

Misy Salamo sasany miantso an’Andriamanitra hanao valifaty amin’ny olona sy ny firenena izay mikasa hanisy ratsy na efa nanao ratsy tamin’ny mpanao Salamo na ny iray firenena aminy. Toa somary mahasakodiavatra ihany ireo Salamo ireo noho ny fiteny henjana ampiasainy sy ny toa fifanoherany amin’ny foto-kevitra ara-Baiboly momba ny fitiavana ny fahavalo (Mat. 5:44).

Rariny kosa anefa ny fahatezeran’ny mpanao Salamo eo anatrehan’ny fampahoriana. Midika izany fa mandray am-po kokoa ny amin’ny tsara sy ny ratsy, mihoatra noho ny olona maro hafa, ny mpanao Salamo. Manahiran-tsaina azy ireo tokoa ny ratsy atao eto amin’izao tontolo izao, tsy amin’ny tenany ihany fa amin’ny hafa koa.

Kanefa na aiza na aiza ao amin’ny Salamo dia tsy ahitana ny mpanao Salamo maneho ny tenany ho ilay mpanao valifaty. Apetrany eo an-tanan’Andriamanitra kosa ny famaliana. Ampahatsiahivin’ny Salamo ireo ozona ao amin’ny faneken’Andriamanitra (Deo. 27:9-16) ary mangataka amin’Andriamanitra izy hiditra an-tsehatra araka ny teny fikasan'ilay fanekeny.

Tsy voatery ho vavaka ataon’ilay mpanao Salamo fotsiny ny Salamo, fa manambara faminaniana momba ny fitsaran’Andriamanitra ho avy koa izany. Maneho ny fitsaran’Andriamanitra an'i Babilôna ny Sal. 137, araka ny hita ao amin’ny bokin’ireo mpaminany. Ny fandravana sy ny fandringanana nataon’ireo Babilônianina tamin’ny firenen-kafa dia hanody azy ireo. Mivoy ny fampitandremana ataon’Andriamanitra ny Salamo, manao hoe: tsy ho afa-maina amin’izao mandrakariva tsy akory ny ratsy.

Mifamatra amin’ny fahamarinany sy ny fahasoavany ny famalian'Andriamanitra. Antsoina hivavaka ho an’ireo izay ratsy fitondra azy ny zanak’Andriamanitra, eny, natao haniry ny fiovam-pon’ireo aza izy (Sal. 83:18; Jer. 29:7).

Saingy na miezaka hampifanaraka ireo Salamo ireo amin’ny foto-kevitry ny Baiboly momba ny fitiavana ny fahavalo aza isika, dia tsy maintsy mitandrina mba tsy hanamaivamaivana ireo fanandramam-pahoriana ambara ao. Fantatr'Andriamanitra ny fahoriana manjo ny zanany ary omeny toky izy ireo hoe: “Zava-dehibe eo imason’i Jehovah ny fahafatesan’ny olony masina.” – Sal. 116:15. Mahatonga ny olona tsy hahay hangina manoloana izay rehetra mety ho faharatsiana ny fitsaran’Andriamanitra ka hitady ny fanjakan’Andriamanitra amin’ny fahafenoany. Manome teny ho eo am-bavan’ireo mijaly koa ny Salamo, ka mampahafantatra azy ireo fa mihevitra ny fahoriany Andriamanitra, ary indray andro any dia ho tonga ny fitsarana araka ny rariny.

Iza no tsy efa nieritreritra na nanam-paniriana hamaly faty ireo izay nanisy ratsy lehibe azy na ny havan-tiany? Ahoana no mety hanampian'ny Salamo anao hanana fomba fijery araka ny tokony ho izy momba izany fihetseham-po izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (41)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal