Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

ADIDY ATAO ETO AN-TANY SY NY VOKANY ANY AN-DANITRA

Daty
Alarobia 28 August 2024

Vakio ny Mar. 12:13-27. Inona no niseho teto, ary inona ny fahamarinana nampianarin'i Jesôsy?

Nitady izay hahazoana an'i Jesôsy amin-javatra iray azony hiampangana Azy, eo anatrehan'ny governora rômanina na eo anatrehan'ny vahoaka, ireo mpitondra fivavahana. Mahakasika ny fandoavan-ketra ny adihevitr'izy ireo tamin'ity indray mitoraka ity. Tamin'izany andro izany sy tao amin'io faritra io, dia azo noheverina ho fikomiana amin'ny fitondram-panjakana rômanina ny fandavana tsy handoa hetra; heloka lehibe tokoa izany.

Niaro an'i Jesôsy tsy ho tratry ny fandrika ny valinteniny mikasika ny hanomezana an'i Kaisara izay azy sy ny hanomezana an'Andriamanitra izay Azy. Nitory fampianarana lalina momba ny andraikitry ny mpino manoloana ny fitondram-panjakana koa anefa izany. "Nambarany fa satria velona teo ambanin'ny fiarovan'ny fahefana Romana izy, dia tokony hamerina amin'izany fahefana izany ny fanohanana takiny, raha mbola tsy mifanohitra amin'ny adidy ambony kokoa izany. Nefa na dia olom-pehezin'ny laiàn'ny tany misy azy aza izy, ary milady filaminana, dia ny fanompoana an'Andriamanitra no tokony hotolorany mandrakariva ny haja voalohany indrindra." - IFM, t. 642.

Ny fanontaniana momba ny fitsanganana amin'ny maty no manaraka izany. Antokona mpisorona izay tsy nandray ho Soratra Masina afa-tsy ireo boky dimy nosoratan'i Mosesy ny Sadoseo; tsy nino ny fitsanganana amin'ny maty izy ireo. Azo heverina fa toe-javatra tsy tena nitranga akory ny tantara nolazainy tamin'i Jesôsy. Tantarana mpirahalahy miisa fito sy vehivavy anankiray izany. Araka ny lalan'i Mosesy, mba hihazonana ny fananana ho eo anivon'ny fianakaviana ihany, rehefa misy lehilahy iray maty kanefa tsy nanan-janaka Iahy dia hampakatra ny vadiny mpitondratena ny rahalahiny ary ny zanaka rehetra izay azo avy amin'izany fatoram-panambadiana izany dia zanak'iiay Iehilahy maty araka ny Ialàna (Deo. 25:5-10).

Nitady izay hampihem-bidy ny fampianarana mikasika ny fitsanganana amin'ny maty ny Sadoseo ka niresaka ny amin'ny safidy ara-môraly mahasanganehana momba izay ho vadin'ilay vehivavy amin'ny fitsanganana amin'ny maty. Notoherin'i Jesôsy tamin'ny valinteny roa miantoana ny tohan-kevitr'izy ireo, ka noresahiny ny momba ny Soratra Masina sy ny fahefan'Andriamanitra. Voalohany dia nolazalazainy ny momba ny fahefana ananan'Andriamanitra amin'ny fitsanganana amin'ny maty ary nambarany fa tsy hisy hampaka-bady any an-danitra. Rehefa izay dia naveriny izay voalaza ao amin'ny Eks. 3:1-22 ho fiarovana ny foto-pampianarana mikasika ny fitsanganana amin'ny maty, andalan-teny izay anambaran'Andriamanitra fa Izy no Andriamanitr'i Abrahama sy i Isaka ary i Jakôba. Nambaran'i Jesôsy ankolaka ny hevitr'izany: hitsangana amin'ny maty ireo, satria tsy afaka ny hijanona ao amin'ny fahafatesana izy ireo raha toa Andriamanitra ka Andriamanitr'i Abrahama sy i Isaka ary i Jakôba, izay maty amin'izao fotoana izao.

Raha misy olona manontany anao hoe: "Fantatrao ve ny fahefan'Andriamanitra?", dia inona no havalinao azy? Nahoana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (14)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal