Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

'ANDEHA HANARAKA AHY'

Daty
Alahady 07 July 2024

Vakio ny Mar. 1:16-20. Iza avy Ireo lehilahy nantsoin'i Jesôsy he mpianany, ary Inona ny navalin'izy Ireo Azy?

Tsy dia maro loatra ny tenin'i Jesõsy voarakitra ao amin'ny Mar. 1. Hita ao amin'ny and. 17 kosa anefa ny teny nataony tamin'ny mpanarato roa, dia i Simôna izay hantsoina hoe Petera ao aoriana ao, sy i Andrea rahalahiny. Nanarato teo amoron'ny ranomasin'i Galilia izy mirahalahy ireo.

Tsy misy filazana momba ny sambo na koa fitaovana fanjonoana hafa ao toa milaza izany fa tsy dia nanana fahafahana ara-bola loatra ireo lehilahy roa ireo. Ao amin'ny Mar. 1:19,20 indray, dia tao anaty sambo niaraka tamin'ny rainy sy ny mpanompony i Jakoba sy i Jaona, izay toa milaza fa nanana fahafahana ara-bola kokoa izy ireo raha miohatra amin'i Petera sy i Andrea. Ambaran’i Lioka fa manana sambo i Petera, ary i Jakoba sy i Jaona dia niara-niasa tamin'i Petera sy i Andrea (jereo ny Lio. 5:1-11). Ny filazantsaran'i Marka kosa dia toy ny maneho fahasamihafana eo amin'ireo mpirahalahy roa tonta ireo, ary mba hanasongadinana izany fahasamihafana izany dia samy nantsoin'i Jesõsy ho mpianany na ireo tsy dia manana fahafahana ara-bola na ireo manana kokoa.

Tsotra sy mivantana ary mifono faminaniana ny antso nataon'i Jesôsy tamin'ireo lehilahy ireo. Niantso azy ireo mba hanaraka Azy Izy, izany hoe, ho tonga mpianany. Nambarany fa raha mamaly ny antsony izy ireo dia hataony mpanarato olona.

Saintsaino ny antony nandaozan'ireo lehilahy ireo avy hatrany ny zavatra rehetra (Mar. 1:16-20) sy nanarahany an'i Jesôsy.

Ny filazantsaran'i Jaona no milazalaza bebe kokoa momba io tantara sa io (jereo ny Jao. 1:29-42). Voalaza fa mpanara-dia an'i Jaona Mpanao fill batisa ireo mpirahalahy ireo ary nandre ny fanambarany fa i Jesôsy no m "Zanak'ondrin'Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao" - " 1 Jao. 1:29. Nahita an'i Jesôsy izy ireo ary niaraka taminy teo amoron'ny renirano Jordana. Araka izany, ny fanekeny ny antson'i Jesôsy ho amin'ny fanompoana M dia tsy fitadiavana izay mahafinaritra na koa vazivazy fa efa nosainina lalina.

Nahoana anefa i Marka no tsy nilaza tsipirian-javatra bebe kokoa momba Je izany? Azo heverina fa mba hanasongadinana ny fahefana nananan'i Jesosy ar izany. Niantso Izy, ary namaly ireo mpanarato vonona ka niova ny fiainan'izy ireo Ts sy izao tontolo izao.

Inona no nasaina nilaozanao mba hanarahanao an'i Jesôsy ? (Eritrereto ny fiantraikan'ny valinteninao, indrindra raha tsy misy na inona na inona isil tonga ao an-tsainao).

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal