Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Andriamanitra mpiady mahery

Daty
Alahady 04 February 2024

Vakio ny Sal. 18:3-18; Sal. 76:3-9,12; sy ny Sal. 144:5-7. Ahoana no anoritsoritana an'i Jehovah ao amin'ireo andininy ireo? Inona ny hevitra ampitain'ireo sary an'ohatra ireo momba ny fahavononan'Andriamanitra hanafaka ny olony?

Midera an'Andriamanitra ireo hira ireo noho ny heriny mahatalanjona izay nandreseny ny herin'ny ratsy nampitahotra ny olony. Soritany ho Mpiady sy Mpitsara Andriamanitra ao anatin'ny voninahiny. Matetika no aseho ho Mpiady Andriamanitra ao amin'ny Salamo, izay mampivohitra ny fidiran'Andriamanitra an- tsehatra faingana sy amin'ny fomba mahery vaika rehefa mitaraina sy mijaly ny olony.

"Dia nampikotroka tany an-danitra Jehovah,/ ny Avo Indrindra niloa-peo,/ havandra sy vainafo./ Dia nandefa ny zana-tsipikany Izy ka nampiely ny fahavaloko;/ Ary nampandeha helatra be ka nampifanaritaka azy./ Dia hita ny mason-drano,/ ary niseho ny fanambanin'ny tany/ noho ny teny mafy nataonao, Jehovah ô,/noho ny fifofofofon'ny fofonain'ny vavoronao."- Sal. 18:13-15.
Ny fahavononan'Andriamanitra sy ny fahalehibiazan'ny asany dia tokony hampisava ny fisalasalana rehetra momba ny fikarakaran'Andriamanitra sy ny fiantrany ireo mijaly, na momba ny fahafahany mandresy ny fahavalo. Ny miandry azy hanao izany no hany anjarantsika.

Raha ny marina, na dia mandray anjara ao anatin'ny ady aza ny olon'Andriamanitra, toa an'i Davida, dia tsy avy amin'ny fahaizan'ny olona no ahazoana ny fahafahana. Nidera an'Andriamanitra i Davida tamin'ireo ady maro nifanaovany tamin'ireo fahavalon'ny vahoakan'Andriamanitra, satria Izy irery ihany no nahazoany ny fandresena rehetra. Mora ho an'i Davida ny naka ny voninahitra ho an'ny tenany noho ny fahombiazany sy ny fandresena maro azony, saingy tsy izany no fomba fisainany. Fantany tsara hoe avy aiza ny loharanon'ny heriny.

Na milaza aza i Davida fa mampianatra ny tanany hiady Andriamanitra (Sal. 18:34), dia tsy hita na aiza na aiza ao amin'ny Salamo ny hoe: niankina tamin'ny fahaizany miady izy. Andriamanitra kosa no niady ho an'i Davida sy namonjy azy (Sal. 18:47,48).
Fantatra amin'ny maha-mpiady mahay azy ny mpanjaka Davida ao amin'ny Salamo, ary mpitendry mozika havanana koa izy, izay nidera an'Andriamanitra amin'ny maha-hany Mpanafaka sy Mpamelona ny vahoakany (Sal. 144:10-15). Ny fiderana an'Andriamanitra sy ny fivavahana Aminy no loharanon-kerin'i Davida, izay mahery vaika lavitra noho ny fitaovam-piadiana hafa rehetra. Andriamanitra irery no natao hitokiana sy hiankohofana.

Na toy inona na toy inona fanomezam-pahasoavana sy fahaizana anananao ary fahombiazana azonao teo amin'ny fiainana, nahoana no tsy azonao hadinoina izay niavian'izany rehetra izany? Inona ny loza mananontanona anao raha sanatria hadinonao izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal