Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Andriamanitra mpiady mahery

Daty
Alahady 04 February 2024

Vakio ny Sal. 18:3-18; Sal. 76:3-9,12; sy ny Sal. 144:5-7. Ahoana no anoritsoritana an'i Jehovah ao amin'ireo andininy ireo? Inona ny hevitra ampitain'ireo sary an'ohatra ireo momba ny fahavononan'Andriamanitra hanafaka ny olony?

Midera an'Andriamanitra ireo hira ireo noho ny heriny mahatalanjona izay nandreseny ny herin'ny ratsy nampitahotra ny olony. Soritany ho Mpiady sy Mpitsara Andriamanitra ao anatin'ny voninahiny. Matetika no aseho ho Mpiady Andriamanitra ao amin'ny Salamo, izay mampivohitra ny fidiran'Andriamanitra an- tsehatra faingana sy amin'ny fomba mahery vaika rehefa mitaraina sy mijaly ny olony.

"Dia nampikotroka tany an-danitra Jehovah,/ ny Avo Indrindra niloa-peo,/ havandra sy vainafo./ Dia nandefa ny zana-tsipikany Izy ka nampiely ny fahavaloko;/ Ary nampandeha helatra be ka nampifanaritaka azy./ Dia hita ny mason-drano,/ ary niseho ny fanambanin'ny tany/ noho ny teny mafy nataonao, Jehovah ô,/noho ny fifofofofon'ny fofonain'ny vavoronao."- Sal. 18:13-15.
Ny fahavononan'Andriamanitra sy ny fahalehibiazan'ny asany dia tokony hampisava ny fisalasalana rehetra momba ny fikarakaran'Andriamanitra sy ny fiantrany ireo mijaly, na momba ny fahafahany mandresy ny fahavalo. Ny miandry azy hanao izany no hany anjarantsika.

Raha ny marina, na dia mandray anjara ao anatin'ny ady aza ny olon'Andriamanitra, toa an'i Davida, dia tsy avy amin'ny fahaizan'ny olona no ahazoana ny fahafahana. Nidera an'Andriamanitra i Davida tamin'ireo ady maro nifanaovany tamin'ireo fahavalon'ny vahoakan'Andriamanitra, satria Izy irery ihany no nahazoany ny fandresena rehetra. Mora ho an'i Davida ny naka ny voninahitra ho an'ny tenany noho ny fahombiazany sy ny fandresena maro azony, saingy tsy izany no fomba fisainany. Fantany tsara hoe avy aiza ny loharanon'ny heriny.

Na milaza aza i Davida fa mampianatra ny tanany hiady Andriamanitra (Sal. 18:34), dia tsy hita na aiza na aiza ao amin'ny Salamo ny hoe: niankina tamin'ny fahaizany miady izy. Andriamanitra kosa no niady ho an'i Davida sy namonjy azy (Sal. 18:47,48).
Fantatra amin'ny maha-mpiady mahay azy ny mpanjaka Davida ao amin'ny Salamo, ary mpitendry mozika havanana koa izy, izay nidera an'Andriamanitra amin'ny maha-hany Mpanafaka sy Mpamelona ny vahoakany (Sal. 144:10-15). Ny fiderana an'Andriamanitra sy ny fivavahana Aminy no loharanon-kerin'i Davida, izay mahery vaika lavitra noho ny fitaovam-piadiana hafa rehetra. Andriamanitra irery no natao hitokiana sy hiankohofana.

Na toy inona na toy inona fanomezam-pahasoavana sy fahaizana anananao ary fahombiazana azonao teo amin'ny fiainana, nahoana no tsy azonao hadinoina izay niavian'izany rehetra izany? Inona ny loza mananontanona anao raha sanatria hadinonao izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.
Sun 31 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.
Mon 01 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny asan’ny Fanahy Masina.
Tue 02 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana marina.
Wed 03 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.
Thu 04 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Akanjo lafo vidy indrindra.
Fri 05 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal