Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Andriamanitra no mpitsara

Daty
Talata 16 January 2024

Vakio ny Sal. 75. Nahoana no zava-poana ny fireharehan'ny ratsy fanahy? 

Amin'ny maha-Mpanjaka Azy dia Mpanome lalàna koa Andriamanitra (Sal. 99:7) ary Mpitsara (Sal. 98:9; Sal. 97:2). Manambana ny hanimba ny lamina efa napetrak Andriamanitra teto amin'izao tontolo izao mandrakariva ny ratsy fanahy, kanefa hitsara an'izao tontolo izao ny Tompo ka hamarana ny fanapahan'ilay ratsy (Sal. 75:8-10; Sal. 96:13).

Sary maro no maneho ny fandringanana tsy azo ivalozana atao amin'ny ratsy fanahy ao amin'ny Sal. 75. Maneho ny firehetan'ny fahatezeran'Andriamanitra (Jer. 25:15; Apôk. 14:10) ny sarin'ny kapoaka feno divay mandroatra (Sal. 75:8). Ny fanapahana ny tandroky ny ratsy fanahy dia maneho ny fiafaran'ny fahefana sy ny fanapahan'izy ireo, fa hasandratra kosa ny tandroky ny marina (Sal. 75:10). Mifidy ny "fotoana voafaritra tsara" Andriamanitra (Sal. 75:2, DIEM) mba hanaovany ny fitsarana. Mazava fa amin'ny fiafaran'izao tontolo izao no hanaovana izany fitsarana izany (Sal. 96:13; 1 Kor. 15:23-26).

Tafiditra ao amin'ny fitsarana ataon'Andriamanitra ny fandinihana ny fon'ny olona. Vakio ny Sal. 14:2; mampahatsiahy ny Gen. 6:5,8 izany. Samy maneho ireo toko sy andininy roa ireo fa ny fampiharana ny didim-pitsaran'Andriamanitra amin'izao tontolo izao dia ialohavan'ny fandinihan'Andriamanitra ny fiainan'ny olona sy ny fikatsahany ny olona azony vonjena. Misy fotoana iantsoana izany fitsarana izany hoe "fitsarana famotopotorana", rehefa miaro ny marina Andriamanitra ary manapaka izay ho anjaran'ny ratsy fanahy.
Toy ny ahoana no fisehon'izany?

Voalohany, manafaka ny olony amin'ny tanan'ny ratsy fanahy Andriamanitra (Sal. 97:10; Sal. 146:9) ary mandravaka famonjena ny mpandefitra (Sal. 149:4). Faharoa, haringana mandrakizay ireo ratsy fanahy tsy mibebaka (Sal. 97:3). Amin'ny tononkalo no anoritsoritan'ny mpanao Salamo sasany ny maha-tsinontsinona ny fiadian'ny olombelona eo anatrehan'ilay Mpitsara avy any an-danitra (Sal. 76:3-6). Andriamanitra mpamela heloka ihany koa Jehovah na dia manafay ny olona noho ny ratsy vitan'izy ireo aza (Sal. 99:8). Hampamoahina eo anatrehan'Andriamanitra koa ny vahoakan'Andriamanitra, fa tsy ny ratsy fanahy irery ihany (Sal. 50:4; Sal. 135:14).

Miresaka ny amin'ny zavatra izay voalaza any amin'ny andalan-teny hafa ao amin'ny Baiboly ny Salamo. Ambarany fa miantomboka amin'ny vahoakan'Andriamanitra ny fitsarana ary mahakasika ny tany manontolo avy eo (Deo. 32:36; 1 Pet. 4:17). Mitalaho amin'Andriamanitra ny mpanao Salamo mba hitsara azy kanefa miantehitra amin'ny fahamarinan'Andriamanitra koa izy mba hiaro azy (Sal. 7:8-11; Sal. 139:23,24).

Miantso antsika ny Salamo mba hiravoravo amin'ny fanantenana ny fitsaran'Andriamanitra (Sal. 67:4; Sal. 96:10-13; Sal. 98:4-9). Nahoana no vaovao mahafaly ho an'ireo voarakotry ny ran'i Kristy ny fitsaran'Andriamanitra?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal