Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ao am-poko ny iraketako ny teninao

Daty
Alahady 18 February 2024

Vakio, ny Sal. 119:1-16, 161-168. Manao ahoana no tokony ho fitandremantsika ny didin'Andriamanitra, ary inona avy ireo fitahiana azo avy amin'izany?

Soritan'ny Baiboly toy ny dia miaraka amin'Andriamanitra eo amin'ny lalan'ny fahamarinana ny fiainana isan'andro amim-pinoana. Ny fandehanana "araka ny lalàn'i Jehovah" - Sal. 119:1 sy "amin'ny fahazavan'ny tavany" - Sal. 89:6 no mihazona hatrany ny fiainam-pinoana. Tsy lalana roa samy hafa ireo tsy akory. Ny fandehanana amin'ny fahazavan'Andriamanitra dia midika ho fanandratana ny lalàn'Andriamanitra. Toy izany koa, ny fandehanana "araka ny lalàn'i Jehovah" dia midika ho fitadiavana an'Andriamanitra amin'ny fo rehetra (Sal. 119:1,2,10).

Fomba iray ilazan'ny Salamo ny fiainam-pahamarinana koa ny hoe "mahitsy làlana"-Sal. 119:1. Ny hoe "mahitsy" eto dia avy amin'ny teny hebreo midika hoe: "tsy misy kilema", izay miresaka momba ny fanatitra ankasitrahan'Andriamanitra (Eks. 20:12:5). Toy izany koa, ny fiainan'ny olo-marina, izay "fanatitra velona" - Rôm. 12:1, dia tsy tokony ho voapentin'ny fitiavam-pahotana. "Làlana marina" koa no iantsoana ny fiainana natokana ho an'Andriamanitra, izay midika fa mandeha amin'ny lalana tsara, ankasitrahan'Andriamanitra ilay olona (Sal. 101:2,6; jereo koa ny Sal. 18:32).

Midika ho "fahalalana tsara" ny marina sy ny diso, ary ny tsara sy ny ratsy, ny fitandremana ny didin'Andriamanitra, fa tsy fitadiavam-pamonjena amin'ny alalan'ny asa velively (Sal. 111:10; jereo koa ny 1 Tant. 22:12), ka mahakasika ilay olona manontolo izany fa tsy asa ivelambelany fotsiny. Tsy azo sarahina eo amin'ny fiainana ny hoe "mahitsy" na "tsy misy kilema", sy ny fitandremana ny didin'Andriamanitra, ary ny fitadiavana an'Andriamanitra amin'ny fo rehetra (Sal. 119:1,2).

Fanambarana ny sitrapon'Andriamanitra amin'izao tontolo izao ny didin'Andriamanitra. Mampianatra ny olona ny fomba hananam-pahendrena sy hananana fiainam-pahafahana sy fiadanana izany (Sal. 119:7-11, 133). Miravoravo amin'ny lalàna ny mpanao Salamo satria ny lalàna no ahazoany antoka fa mahatoky tokoa Andriamanitra (Sal. 119:77,174).

"Be fiadanana izay tia ny lalànao, ary tsy misy mahatafintohina azy." Sal. 119:165. Manambara fitondrantena ratsy ny fahatafintohinana eto. Miaro antsika amin'ny fakam-panahy ny Tenin'Andriamanitra (Sal. 119:110), tahaka ny fanazavana mitsilo ny dian'ny mpanao Salamo (Sal. 119:105).

Ahoana no nanehoan'i Kristy ny herin'ny Tenin'Andriamanitra teo amin'ny fiainany (Mat. 4:1-11)? Tokony hilaza inona amintsika izany momba ny hery ananan'ny fo vonona hankatò ny lalàn' Andriamanitra?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal