Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ao am-poko ny iraketako ny teninao

Daty
Alahady 18 February 2024

Vakio, ny Sal. 119:1-16, 161-168. Manao ahoana no tokony ho fitandremantsika ny didin'Andriamanitra, ary inona avy ireo fitahiana azo avy amin'izany?

Soritan'ny Baiboly toy ny dia miaraka amin'Andriamanitra eo amin'ny lalan'ny fahamarinana ny fiainana isan'andro amim-pinoana. Ny fandehanana "araka ny lalàn'i Jehovah" - Sal. 119:1 sy "amin'ny fahazavan'ny tavany" - Sal. 89:6 no mihazona hatrany ny fiainam-pinoana. Tsy lalana roa samy hafa ireo tsy akory. Ny fandehanana amin'ny fahazavan'Andriamanitra dia midika ho fanandratana ny lalàn'Andriamanitra. Toy izany koa, ny fandehanana "araka ny lalàn'i Jehovah" dia midika ho fitadiavana an'Andriamanitra amin'ny fo rehetra (Sal. 119:1,2,10).

Fomba iray ilazan'ny Salamo ny fiainam-pahamarinana koa ny hoe "mahitsy làlana"-Sal. 119:1. Ny hoe "mahitsy" eto dia avy amin'ny teny hebreo midika hoe: "tsy misy kilema", izay miresaka momba ny fanatitra ankasitrahan'Andriamanitra (Eks. 20:12:5). Toy izany koa, ny fiainan'ny olo-marina, izay "fanatitra velona" - Rôm. 12:1, dia tsy tokony ho voapentin'ny fitiavam-pahotana. "Làlana marina" koa no iantsoana ny fiainana natokana ho an'Andriamanitra, izay midika fa mandeha amin'ny lalana tsara, ankasitrahan'Andriamanitra ilay olona (Sal. 101:2,6; jereo koa ny Sal. 18:32).

Midika ho "fahalalana tsara" ny marina sy ny diso, ary ny tsara sy ny ratsy, ny fitandremana ny didin'Andriamanitra, fa tsy fitadiavam-pamonjena amin'ny alalan'ny asa velively (Sal. 111:10; jereo koa ny 1 Tant. 22:12), ka mahakasika ilay olona manontolo izany fa tsy asa ivelambelany fotsiny. Tsy azo sarahina eo amin'ny fiainana ny hoe "mahitsy" na "tsy misy kilema", sy ny fitandremana ny didin'Andriamanitra, ary ny fitadiavana an'Andriamanitra amin'ny fo rehetra (Sal. 119:1,2).

Fanambarana ny sitrapon'Andriamanitra amin'izao tontolo izao ny didin'Andriamanitra. Mampianatra ny olona ny fomba hananam-pahendrena sy hananana fiainam-pahafahana sy fiadanana izany (Sal. 119:7-11, 133). Miravoravo amin'ny lalàna ny mpanao Salamo satria ny lalàna no ahazoany antoka fa mahatoky tokoa Andriamanitra (Sal. 119:77,174).

"Be fiadanana izay tia ny lalànao, ary tsy misy mahatafintohina azy." Sal. 119:165. Manambara fitondrantena ratsy ny fahatafintohinana eto. Miaro antsika amin'ny fakam-panahy ny Tenin'Andriamanitra (Sal. 119:110), tahaka ny fanazavana mitsilo ny dian'ny mpanao Salamo (Sal. 119:105).

Ahoana no nanehoan'i Kristy ny herin'ny Tenin'Andriamanitra teo amin'ny fiainany (Mat. 4:1-11)? Tokony hilaza inona amintsika izany momba ny hery ananan'ny fo vonona hankatò ny lalàn' Andriamanitra?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.
Sun 31 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.
Mon 01 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny asan’ny Fanahy Masina.
Tue 02 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana marina.
Wed 03 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.
Thu 04 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Akanjo lafo vidy indrindra.
Fri 05 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal