Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

ASA FANOMPOΑΝΑ BEBE KOKOA AMIN'NY SABATA

Daty
Talata 09 July 2024

Vakio ny Mar. 1:29-34. Ahoana no nanampian'i Jesõsy ny ankohonan'i Petero ary inona ny lesona ara-panahy azontsika sintonina avy amin'io tantara io?

Taorian'ilay fanompoam-pivavahana mahagaga tao amin'ny sinagóga, dia nitokana niaraka tamin'ny mpianany vitsivitsy i Jesõsy (Petera, Andrea, Jakoba ary Jaona) hankany an-tranon'i Petera mba handany ireo ora sisan'ny Sabata amin'ny fiaraha-misakafo sy ny fiarahana amin'ireo sakaizany.

Nisy toe-javatra nampitebiteby anefa tamin'izay: nararin'ny tazo ny rafozam-bavin'i Petera; midika izany fa na izy mihatsara na ho faty. Nambaran'izy ireo an'i Jesôsy ny momba izany aretina izany ka noraisiny ny tanan'ilay rafozam-bavin'i Petera ary nanarina azy Izy. Avy hatrany dia nanomboka nanome izay nilain'izy ireo ilay rafozam-bavin Petera. Ohatra lehibe momba ny foto-kevitra iray izany: ireo izay novonjen'i Jesôsy sy nositraniny dia hiasa ho an'ny hafa ho setrin'izany!

Manerana ny filazantsaran'i Marka, matetika i Jesôsy no manasitrana amin'ny alalan'ny fikasihana ilay marary (jereo ny Mar. 1:41; Mar. 5:41), na dia nisy fotoana aza tsy niresahana ny amin'izany fikasihana izany (jereo ny Mar. 2:1-12; Mar. 3:1-6; Mar 5:7-13).

Tsy izay no namarana ny asa fanompoan'i Jesôsy tamin'io andro io. Nony maty ny masoandro dia marobe no tonga tao an-tranon'i Petera mba hositranina; tsy isalasalana fa ny fahitana ny zava-nitranga tao amin'ny sinagoga tamin'io andro io no anton'izany, na koa ny fandrenesana ny momba izany. Ny tsy filazan'ny mpanoratra tamin'ny mpamaky ny antony niandrasan'ny olona noho ny Sabata tsy mbola nifarana dia manondro ny fiheverany fa efa mahafantatra momba ny Sabata ireo mpamaky azy. Mifandraika amin'ny maha-mpitandrina ny Sabata ny mpamaky azy izany fomba fanoratr'i Marka izany.

Nambaran'i Marka fa tafangona teo anoloan'ny varavarana avokoa ny iray tanana tamin'io hariva io (Mar. 1:33). Azo inoana fa nila fotoana naharitraritra i Jesôsy mba hanampiany ireo olona rehetra ireo.

"Nifamoivoy teo Aminy isan'ora isan'ora ireo; tsy misy mahalala mantsy raha mboll ho eo aminy ihany Ilay Mpanasitrana ny ampitso. Tsy mbola nahita toe-javatra toy izal mihitsy Kapernaomy hatramin'izay. Feno hiram-pandresena sy antsoantsom-pahafahani ny habakabaka. Ravoravo ny Mpamonjy noho ny fifaliana nafafiny manodidina Azy. Raht nahita maso ny fahorian'ireo izay nanatona Azy Izy, dia onena ny fony, ary naharavo Azy ny nahazoany namerina ny fahasalamana sy ny fahasambarana ho azy ireo.

Tsy najanon'i Jesosy ny asany raha tsy sitrana ny marary rehetra. Efa alim-be val lasa ny vahoaka ary nanjaka tao an-tokantranon'i Simona ny fahanginana. Lasa ilal andro lava nahatrotraka ka nitady fialan-tsasatra Jesosy. Raha mbola renoky ny torimas ny tanana dia 'nifoha maraina alina koa ny Mpamonjy, dia nivoaka nankany an-tany foan ka nivavaka tany."- IFM, t. 264.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (14)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal