Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FAHAGAGANA MANODIDINA NY FARIHY

Daty
Sabotsy 27 July 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro: Mar.4:35-41;Sal.104:1-9; Mar. 5:1-43: Nom. 27:17.

Tsianjery: « Nefa tsy navelan’i Jesôsy izy; fa hoy Izy taminy: Modia ihany any an-tranonao ho any amin’ny havanao; ka lazao aminy izay zavatra lehibe nataon'ny Tompo taminao sy ny namindrany fo taminao. »  – Mar. 5:19.

Tao Galilia no tena nanaovan’i Jesôsy ny asany, indrindra teo amin’ny Ranomasin’i Galilia sy ny manodidina azy. Ilay antsoina hoe ranomasin’i Galilia dia farihy iray lehibe mirefy 21 km ny lavany ary 13 km ny sakany. lo no rano midadasika  teo amin’izany faritra izany ary ivon’ny antom-piveloman’ny olona manodidina.

I Jesôsy sy ny mpianany niampita ny Ranomasin’i Galilia no mamarana ny Mar. 4. Nisy tafio-drivotra mahery tamin’izay, ary i Jesôsy no nampitsahatra izany tamin’ny nitenenany tamin’ny rivotra sy ny onja. Mifarana amin’ny toe-javatra mitovy amin'izany koa ny Mar. 6, saingy tamin’ity indray mandeha ity dia nandeha teo ambonin’ny rano i Jesôsy, nanatona ny mpianany tao an-tsambokely. Teo anelanelan’ireo tranga roa ireodia marobe ny fahagagana nataon’i Jesôsy teny an-tanety, ary teo no nanombohan'ny mpianatra ny asa misiônerany. Ireo tantara ireo no lohahevitra hodinihintsika amin’ity herinandro ity.

Ny tena mampiavaka ireo tantara ireo dia izy mamela ny mpamaky hahita hoe iza moa i Jesôsy. Izy Ilay mahay mampitsahatra ny tafiotra, manasitrana ny demoniaka, manasitrana vehivavy izay nikasika fotsiny ny akanjony, manangana zazavavy amin’ny maty, mitory ao amin ny tany niaviany, maniraka ny mpianany hitory ny filazantsara, mamahana olona 5000 amin’ny mofo sy hazandrano vitsy monja, ary Ilay mandeha ambonin’ny rano. Fanehoana mahagaga ny heriny ireo, izay nahatonga ny mpianany hahatakatra mazava kokoa fa Izy no Zanak’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana
Sun 31 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Ny boky sy ny rà.
Mon 01 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Mahita an’Andriamanitra.
Tue 02 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Hery ho enti-mankatò.
Wed 03 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Eo anivon’ny vahoakany.
Thu 04 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Feno ny Fanahin’Andriamanitra.
Fri 05 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal