Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fampidirana

Daty
Sabotsy 16 December 2023

Iray amin'ireo tantara mampahery indrindra ao amin'ny Baiboly, momba ny "asa fanompoana mifandraika amin'ny kolontsaina maro" no hita ao amin'ny bokin'i Estera. Betsaka ny zavatra nosoratana an'arivo taona momba io boky io, ary hatramin'izao fotoana izao aza dia Jiosy maro no mankalaza ny fetin'ny "Pourim" izay mifototra amin'ny Est. 9:26-31.

Jiosy nonina tao Sosana renivohitry ny fanjakana persianina i Estera sy i Môrdekay dadatoany. Noho ny antony manokana dia nijanona niaraka tamin'ireo Jiosy sasany tao amin'ny firenena nitanana azy ho babo izy ireo, fa tsy niverina tany amin'ny tanin'i Joda tahaka ireo Jiosy hafa.

Dia tonga mpanjakavavy i Estera rehefa nandalo toe-javatra maro izay nitantanan'Andriamanitra azy. "Ary tian'ny mpanjaka mihoatra noho ny vehivavy rehetra Estera, ka nahita fitia sy sitraka teo imasony mihoatra noho ny virijina rehetra izy, ka dia nosatrohany ny satroboninahitry ny fanjakana izy ka nampanjakainy hisolo an'i Vasty."- Est. 2:17.

Tamin'izany anjara toerana izany no nahafahan'i Estera nitana andraikitra lehibe teo amin'ny tantara ara-Baiboly, na dia tsy araka ny sitrapony loatra aza izany. Amin'ny fomba miavaka no anehoan'io tantara io fa afaka mijoro ho vavolombelon'ny fahamarinana ny vahoakan' Andriamanitra na dia any amin'ny toerana maha-vahiny azy aza.

Araka ny fotoana anananao, vakio (na ataovy indray mitopy maso) ny bokin'i Estera ho an'ny fianarana amin'ity herinandro ity.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: Asa mitory fibebahana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal