Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fanampiana avy any amin'ny Fitoerana Masina

Daty
Alakamisy 25 January 2024

Vakio ny Sal. 3:4; Sal. 14:7; Sal. 20:1-3; Sal. 27:5; Sal. 36:8; Sal. 61:4; sy ny Sal. 68:5,35. Araka ireo lahatsoratra ireo, avy aiza ny famonjena?

Ao anatin'ny tontolon-kevitry ny fitoerana masina no tena ahitana fiarovana ara-nofo sy ara-panahy. Toerana ahitana fanampiana, fiarovana, ary famonjena ny fitoerana masina. Manome fialofana ho an'ny ory ny fitoerana masina. Avy ao amin'ny fitoerany masina no iarovan'Andriamanitra ny kamboty sy ny mpitondratena, ary anomezany hery ho an'ny vahoakany. Rehefa mamirapiratra avy ao Ziona, izay tena fahatsaran-tarehy, Andriamanitra (Sal. 50:2), dia ankalazaina ny fitsarana marina ataony ary mirotsaka ny fitahian'Andriamanitra (Sal. 84:4; Sal. 128:5; Sal. 134:3).

Mihoatra lavitra noho ny fiarovana hita any an-toeran-kafa eto an-tany ny fiarovana omen'ny fitoerana masina satria Andriamanitra mihitsy no mitoetra ao. Ny fanatrehan'Andriamanitra no mitondra fiarovana fa tsy ilay tempoly sy rafi- trano tsy akory. Toy izany koa, na dia tendrombohitra tsy dia manao ahoana loatra aza i Ziona dia nihoatra noho ny tendrombohitra hafa rehetra izy satria ny Tompo no nonina tao (Sal. 68:15, 16; Isa. 2:2).

"Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota. Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana amin'ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin'izay andro mahory."- Heb. 4:15,16. Mifanindran-dalana amin'izay lazain'ny mpanao Salamo momba ny fitoerana masina ireo andininy ireo; amin'ny fomba ahaoana?

Ny fahamasinan'ny fitoerana masin'Andriamanitra no mampiaiky ny mpanao Salamo fa mpanota avokoa ny olona rehetra ary tena tsy mendrika nyfankasitrahan'Andriamanitra; ambarany koa fa mifototra amin'ny fahatokian'Andriamanitra sy ny fahasoavany irery ihany ny fanavotana (Sal. 143:2, 9-12). Tsy misy na inona na inona ao amintsika ka maha- mendrika antsika eo anatrehan'Andriamanitra. Tsy afaka mahazo antoka ny amin'ny fanavotan'Andriamanitra ny olona raha tsy manana fifandraisana amin'Andriamanitra amim-pahamarinana, amin'ny alalan'ny fibebahana sy ny fanekena ny fahasoavan'Andriamanitra ary koa ny famelany heloka. Maneho ny famonjena izay ao amin'i Jesôsy ny fanompoana atao ao amin'ny fitoerana masina.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Ny vokatry ny fanompoana tena izy.
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fahoriana sy voninahitra.
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -Fanompoam-pivavahana mifantoka amin’i Kristy.
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Antso ho amin’ny fahamasinana.
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fiononana sy alahelo.
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fianarana fanampiny.
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal