Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FANANTENANA AO ANATIN'NY FOTOAN-TSAROTRA

Daty
Alahady 23 June 2024

Vakio ny Apôk. 22:11,12 sy ny Dan. 12:1,2 ary ny Jer. 30:5-7. Inona ny toe-javatra mitranga mialoha indrindra ny fiavian'i Jesôsy fanindroany?

Aorian'ny fikatonan'ny varavaram-pahasoavana dia hisy fotoan-tsarotra "izay tsy nisy tahaka azy hatrizay nisian'ny firenena ka hatramin'izany andro izany." Milazalaza ny amin'ireo loza fito farany izay harotsaka amin'ity tontolo feno faharatsiam-panahy ity ny Apôk . 16. Tahaka ireo loza izay nianjady tamin'i Egipta anefa, dia harovana tsy ho voan'izany ny vahoakan'Andriamanitra. Mariho ny teny fikasana ao amin'ny Daniela: "(...) ary amin'izany dia ho afaka ny firenenao, dia izay rehetra hita voasoratra ao amin'ny boky."- Dan. 12:1. Azo antoka fa ny "bokin'ny fiainana" io voalaza io (jereo ny Fil. 4:3; Apôk. 13:8; Apôk. 20:12, 15; Apôk. 22:19).

Raha nitoetra ho mahatoky tamin'i Jesôsy isika, dia tsy hofafana ao amin'ny bokin'ny fiainana ny anarantsika (Apôk . 3:5).

Vakio ny 1 Jao. 3:1-3; Jao. 8:29 ary ny Jao. 14:30. Inona ny hany fiomanana ilaina hiatrehana ny fotoan-tsarotra izay ho avy? 

Manana fifandraisana manokana sy lalina amin'i Jesôsy ny vahoakan'Andriamanitra, amin'ny fotoan-tsarotra, ka tsy hisy na inona na inona hanova izany. Ny fanirian'izy ireo lalina dia ny hanao izay sitrany amin'ny zavatra rehetra mba hahatonga azy ireo hadio tahaka Azy madio, amin'ny alalan'ny asan'ny Fanahy Masina. Tsy nisy na inona na inona tao amin'ny fon'i Kristy izay nanaiky ny fitaka nataon'i Satana. Azontsika atao ihany koa ny maneho taratra izany Iafin-toetrany izany.

Vakio ny Sal. 27:5; Sal. 91:1-11 ary ny Apôk . 3:10-12. Inona ny fampanantenana feno toky izay atolotr'Andriamanitra antsika hiatrehana ny fotoan-tsarotra?

Misy olona sasany izay tsy nahatakatra araka ny tokony ho izy ny hevitry ny hoe miaina ao anatin'ny fotoan-tsarotra kanefa tsy manana mpanelanelana. Mampitsahatra ny fanelanalenana ataony ao amin'ny tabernakely any an-danitra I Jesôsy rehefa samy nanao ny safidy farany avokoa ny olona rehetra, na homba Azy na hanohitra Azy. Tsy midika anefa izany fa irery isika ao anatin'izany fotoana izany ka tsy manana afa-tsy herintsika mba hitokiana. Efa nanome toky i Jesôsy fa homba antsika mandrakariva (Mat. 28:20). Ny finoana dia matoky na dia tsy mahita aza, ary mino na dia mirodana aza ny tontolo manodidina antsika. Ao anatin'ny fotoan-tsarotra, dia mihamatanjaka ny finoantsika ary mitombo ny faniriantsika fatratra ny mandrakizay, ka ny hany zavatra irintsika dia ny hiara-monina amin'i Jesôsy mandrakizay. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal