Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FANOMPOAM-PIVAVAHANA TSY HAY HADINOINA

Daty
Alatsinainy 08 July 2024

Vakio ny Mar. 1:21-28. Inona ny fanandramana Isy hay hadinoina nitranga tao amin'ilay sinagogan'i Kapemaomy, ary Inona ny fahamarinana ara-panahy azontsika sintonina avy amin'izany tantara izany?

Manana fotoana tsy hay hadinoina eo amin'ny dia ataony amin'ny maha-Kristianina azy ny ankamaroan'ny olona ny nanapahany hevitra hanara-dia an'i Jesôsy, ny andron'ny batisany na koa ny toriteny miezinezina iray izay nahatsapany lalina ny fanatrehan Andriamanitra. Mety tay ho sarotra hadinoina fotsiny ny sasany amin'ireny fotoana ireny fa nanova ny fiainana koa aza.

Azo heverina fa izany no nitranga tamin'ireo olona tao Kapernaomy tamin'ny Sabata anankiray voalazan'ny Mar. 1: "Dia talanjona ny olona tamin'ny fampianarany, satria nampianatra azy tahaka izay manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora- dalana. Mar. 1:22. Raha mbola nampianatra i Jesôsy dia nisy lehilahy demôniaka iray, izay azo antoka fa nandairan'ny fahefan'ny Fampianarany, nihiaka hoe: "Moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? Avy handringana anay va Hianao? Fantatro fa atro fa liay Masin Andriamanitra Hianao" - Mar. 1:24, ary noroahin'i Jesôsy ny demonia tao aminy.

Eritrereto ny hevitry ny teny nataon'ilay demonia. Voalohany, niaiky izy fa "llay Masin Andriamanitra" i Jesôsy . Nekeny fa i Jesôsy no Ilay iraka masin'Andriamanitra, izay mifanohitra amin'ireo miaramila maloto sy tsy masin'i Satana. Zava-masina sy olona 5 masina no antenaina ho hita ao amin'ny toerana fanaovana fanompoam-pivavahana fa ytsy zavatra tsy manam-pahamasinana sy maloto. Araka izany, dia misy fifanoherana lehibe eo amin'ny herin'ny tsara sy ny herin'ny ratsy. Hitantsika eto ny mahazava-misy marina ny fifanandrinana lehibe eo amin'izy ireo. Mety tsy mbola nahafantatra an'i Jesôsy ny olona, saingy ny devoly kosa dia tsy isalasalana fa nahalala azy ary niaiky izany ampahibemaso.

Faharoa, tsy mahagaga ny nibaikoan'i Jesôsy ny devoly hiala tao amin'io lehilahy io, asaingy nahoana no hoe "Mangina hianao" no nolazainy? Manomboka eto, ao amin'ny filazantsaran'i Marka, no ahitana tara-kevitra iray: ny fibaikoan'i Jesôsy ny hanginana mikasika izay momba Azy. Antsoin'ny manam-pahaizana momba ny Soratra Masina hoe "tsiambaratelon'ny Mesia" izany.

Misy antony tokoa ny fampanginan'i Jesôsy, noho ny fiandrandrana mikasika ny Mesia izay nisy fifandraisany tamin'ny toe-javatra ara-pôlitika tamin'izany andro izany. Mety hampidi-doza ny fitononana ho mesia tamin'izany. Na izany aza, dia nifangaro tamin'ny fampanginana ny fanambarana tsy misy fisalasalana ny mombamomba an'i Jesôsy. Rehefa mandeha ny fotoana dia hita mazavat fa tsy azo afenina ny mombamomba an'i Jesôsy ary ny fahamarinana mikasika Azy no manjary ivon'ny hafatry ny filazantsara. Tsy ny hahalala ny mombamomba an'i Jesosy fotsiny no ilain'ny olona fa ny handray fanapahan-kevitra mikasika izay asetrin'izy ireo ny flaviany sy ny hevitr'izany ho azy ireo.

Eo amin'ny fiezahana hijoro ho vavolombelona amin'ny hafa, rahoviana isika no tokony hitandrina ka tsy hanambara izay rehetra inoantsika mikasika ny "fahamarinana ankehitriny"?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal