Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FIANARANA FANAMPINY

Daty
Zoma 23 August 2024

 Vakio ny IFM, toko 56: "Nitahy ny zaza", sy ny toko 57: "Diso zavatra iray loha hianao".

"Tia zaza mandrakariva Jesôsy . Nekeny ny firaisam-po tamin'ireo zaza ireo sy ny fitiavany niharihary, tsy amboamboarina. Feon-java-maneno teo an-tsofiny ny fiderana feno fankasitrahana teo amin'ny molony madio, ka namelombelona ny fanahiny rehefa nampahorian'ny fifandraisana tamin'ny olona fetsifetsy sy nihatsaravelatsihy lzy. Na taiza na taiza nalehan'ny Mpamonjy dia nisarika ny fitiavana sy ny fahatokian'ny zaza ny endriny tsara fanahy, sy ny fihetsiny malefaka. nitory fahaIemem-panahy."— IFM, t. 547.

"Izay tahaka ilay tovolahy mpanapaka manana toerana ambony nametrahana fitokisana, sy manana fananana be, dia mety mahita fa lehibe loatra ny fandavan-tena amin'ny fahafoizana ny zavatra rehetra mba hanarahana an'i Kristy. Izany anefa no fitsipi-pitondrantena ho an'izay rehetra te-ho mpianany. Tsy misy mahasolo mihitsy ny fankatoavana. Ny fampileferana ny 'Izaho' no votoatin'ny fampianaran'i Kristy. Matetika izany no aseho sy baikoina amin'ny teny toa henjana, satria tsy misy fomba hamonjena ny olona afa-tsy ny fanapahana ny zavatra izay hampitotongana ny tenany manontolo raha kolokoloina." — IFM, t. 557.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra :
1. Inona ireo fomba hahafahanao manampy ny ankizy sy ny tanora hifandray hatrany amin'i Kristy sy ny fiangonana? Nahoana no zava-dehibe tokoa ny anaovantsika izany?

2. Indraindray isika mandre olona milaza fa tsy ahoany ny vola. Tsy marina izany. Mihevitra ny amin'ny vola avokoa ny olona rehetra, ary tsy misy maha-ratsy izany. Inona anefa no mety ho olana amin'ny vola? Nahoana ny Kristianina mahatoky, na manankarena izy na mahantra, no tsy maintsy mitandrina tsara ny amin'ny toerana omeny ny vola eo amin'ny fiainany?

3. Raha manontany anao i Jesôsy hoe: "Inona no tianao hataoko aminao?", dia inona no havalinao?

4. Saintsaino ilay tenin'i Jesôsy ao amin'ny Mar. 10:43-45. Inona ny hevitr'izany eo amin'ny fiainana? Ahoana no hianarantsika manompo fa tsy tompoina? Midika inona ho antsika izany eo amin'ny fiainantsika sy ny fifandraisantsika amin'ny hafa?  

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Tue 12 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.
Sun 31 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.
Mon 01 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny asan’ny Fanahy Masina.
Tue 02 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana mariina.
Wed 03 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.
Thu 04 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Akanjo lafo vidy indrindra.
Fri 05 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal