Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FIANARANA FANAMPINY

Daty
Zoma 23 August 2024

 Vakio ny IFM, toko 56: "Nitahy ny zaza", sy ny toko 57: "Diso zavatra iray loha hianao".

"Tia zaza mandrakariva Jesôsy . Nekeny ny firaisam-po tamin'ireo zaza ireo sy ny fitiavany niharihary, tsy amboamboarina. Feon-java-maneno teo an-tsofiny ny fiderana feno fankasitrahana teo amin'ny molony madio, ka namelombelona ny fanahiny rehefa nampahorian'ny fifandraisana tamin'ny olona fetsifetsy sy nihatsaravelatsihy lzy. Na taiza na taiza nalehan'ny Mpamonjy dia nisarika ny fitiavana sy ny fahatokian'ny zaza ny endriny tsara fanahy, sy ny fihetsiny malefaka. nitory fahaIemem-panahy."— IFM, t. 547.

"Izay tahaka ilay tovolahy mpanapaka manana toerana ambony nametrahana fitokisana, sy manana fananana be, dia mety mahita fa lehibe loatra ny fandavan-tena amin'ny fahafoizana ny zavatra rehetra mba hanarahana an'i Kristy. Izany anefa no fitsipi-pitondrantena ho an'izay rehetra te-ho mpianany. Tsy misy mahasolo mihitsy ny fankatoavana. Ny fampileferana ny 'Izaho' no votoatin'ny fampianaran'i Kristy. Matetika izany no aseho sy baikoina amin'ny teny toa henjana, satria tsy misy fomba hamonjena ny olona afa-tsy ny fanapahana ny zavatra izay hampitotongana ny tenany manontolo raha kolokoloina." — IFM, t. 557.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra :
1. Inona ireo fomba hahafahanao manampy ny ankizy sy ny tanora hifandray hatrany amin'i Kristy sy ny fiangonana? Nahoana no zava-dehibe tokoa ny anaovantsika izany?

2. Indraindray isika mandre olona milaza fa tsy ahoany ny vola. Tsy marina izany. Mihevitra ny amin'ny vola avokoa ny olona rehetra, ary tsy misy maha-ratsy izany. Inona anefa no mety ho olana amin'ny vola? Nahoana ny Kristianina mahatoky, na manankarena izy na mahantra, no tsy maintsy mitandrina tsara ny amin'ny toerana omeny ny vola eo amin'ny fiainany?

3. Raha manontany anao i Jesôsy hoe: "Inona no tianao hataoko aminao?", dia inona no havalinao?

4. Saintsaino ilay tenin'i Jesôsy ao amin'ny Mar. 10:43-45. Inona ny hevitr'izany eo amin'ny fiainana? Ahoana no hianarantsika manompo fa tsy tompoina? Midika inona ho antsika izany eo amin'ny fiainantsika sy ny fifandraisantsika amin'ny hafa?  

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal