Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FIANARANA FANAMPINY

Daty
Zoma 30 August 2024

Vakio ny "Vahoaka tandindomin-doza" (toko 64), "Ny tempoly nodiovina indray" (toko 65) ary ny "Adihevitra" (toko 66) ao amin'ny IFM.

"Ny nataon'i Kristy tamin'ny nanozonany ilay hazo izay noforonin'izy tenany tamin'ny heriny, dia mijoro ho fampitandremana ny fiangonana rehetra sy ny kristiana rehetra. Betsaka anefa no tsy mivelona amin'ny fiainan'i Kristy feno famindrampo sy tsy mihevitra ny tenany. Misy mihevitra ny tenany ho kristiana tsara indrindra ka tsy mahalala izay raiketin'ny fanompoana an'Andriamanitra. Manao drafitra izy sy mandinika izay hahafaly ny tenany ihany. Araka ny izaho ihany no zavatra ataony. Tsy misy vidiny aminy ny fotoana raha tsy hanangonany ho an'ny tenany. Izany no zava-kendreny eo amin'ny raharaha rehetra eo amin'ny fiainana. Tsy ho an'ny hafa fa ho an'ny tenany ihany no hanaovany fanompoana. Namorona azy Andriamanitra mba hivelona eo amin'izao tontolo izao izay tsy maintsy hanatanterahana fanompoana tsy misy fitiavan-tena. Notendreny izy hanampy ny mpiara-belona aminy amin'ny fomba rehetra. Nefa midadasika loatra ny `izaho' ka tsy afaka mahita zavatra hafa izy. Tsy nifandray tamin'ny olombelona izy. izay mivelona toy izany ho an'ny tenany dia tahaka ilay aviavy, izay nihambo ny zavatra rehetra, nefa tsy nisy voany. Manaraka ny fomba fanompoam-pivavahana izy, nefa tsy misy fibebahana na finoana. Araka ny fanekem-pinoana, dia manaja ny lalàn’Andriamanitra izy, nefa tsy misy ny fankatoavana. Miteny izy, nefa tsy manao. Ny didim-pitsarana natao tamin'ilay aviavy dia nampisehoan'i Kristy fa maharikoriko eo imasony fo fihatsaram-belatsihy tsy misy antony io. Ambarany fa ny mpanota ampahibemaso dia tsy meloka noho izay milaza fa manompo an'Andriamanitra, nefa tsy mitondra voany ho voninahiny." - IFM, tt. 623-624.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra   
1. Saintsaino ny hevitry ny fanadiovan’i Kristy ny tempoly. Ahoana no mety hampiharana izany fitsipika izany eo amin'ny fiangonantsika ankehitriny? Ahoana no tokony hisehoan'izany fanadiovana izany?

2. Manerana ny filazantsara, imbetsaka i Jesôsy no nampitodika ny olona ho amin'ny Soratra Masina sy ny fomba tsy maintsy hahatanterahan'izany. Inona no ambaran'izany amintsika momba ny maha-zava-dehibe ireny ho an'ny fiainam-pinoana? Nahoana isika no tokony handà amin'ny fomba hentitra ny fiezahana rehetra hampihena ny fahefan'ny Soratra Masina, indrindra ny filazana fa ny Soratra Masina dia fiheveran'olombelona momba an'Andriamanitra fotsiny ihany sy ny toetrany ary ny fomba fiasany?

3. Aiza ny tsipika manasaraka ny fiangonana sy ny fitondram-panjakana? Ahoana no itarihan'ny fampianaran'i Jesôsy ao amin'ny Mar. 12:13-17 izany fifanakalozan-kevitra izany?

4. Jereo ireo andalan-teny miresaka momba ny fitsanganana amin'ny maty. Nahoana izany fampianarana izany no zava-dehibe ho an'ny finoantsika, indrindra rehefa mihevitra momba ny toetry ny maty isika? • • • • 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY -
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY -
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY -
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal