Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FIANARANA FANAMPINY

Daty
Zoma 13 September 2024

Vakio ny IFM, toko 75: "Teo anatrehan'i Anasy sy teo amin'ny Iapan'i Kaiafa", sy ny toko 76: "Jodasy".

"Raha mbola teo amin'ny molotr'i Petera ny ozona manambany azy, ka mbola naneno tao an-tsofiny ny fikiririokan'ny fanenon'ny akoho, dia nitodika ny Mpamonjy, niala tamin'ireo mpitsara miketrona handrina noho ny hatezerana ny fijeriny ka nifantoka tanteraka teo amin'ilay mpianany mahantra. Tamin'izay fotoana izay kosa dia voatarika ho eo amin'ny Tompony ny mason'i Petera. Fangorahana sy alahelo lalina no hitany teo amin'ilay endrika malemy fanahy, fa tsy nisy hatezerana. "Nanindrona ny fony toy ny zana-tsipika ny fahitany ity endrika hatsatra, nijaly, ireto molotra nipararetra, ity fijery feno fangorahana sy famelan-keloka. Nifoha ny feon'ny fieritreretany. Velona ny fitadidiany. Tadidin'i Petera ny fampanantenany ora vitsivitsy talohan'izao fa hiaraka amin'ny Tompony ho any an-tranomaizina sy ho amin'ny fahafatesana izy. Tsaroany ny alahelo raha nilaza taminy ny Mpamonjy tao amin'ny efitrano ambony, fa handà ny Tompony intelo izy tamin'iny alina iny. Vao nanambara i Petera fa tsy fantany Jesosy, nefa tsapany izao tao amin'ny ngidin'ny alahelo, fa tena mahalala azy tsara ny Tompony, ary marina dia marina ny namakiany tao am-pont', ny toetra mandainga izay tsy fantatr'izy tenany akory."— IFM, tt. 762,763. 

FANONTANIANA hifanakalozan kevitra 
1. Raha mamaky ny ao amin'ny Mar. 14:9 fotsiny isika, inona koa ny faminaniana hitantsika ataon'i Jesôsy eto, izay toa tsy mitombina velively ny mety hahatanteraka azy raha dinihina ny toe-javatra nitrangany, kanefa tanteraka tokoa ankehitriny?

2. Ampitahao i Jodasy sy I Petera. Inona no mampitovy sy maha-samy hafa ny fihetsik'izy ireo ao amin'ilay tantara?

3 Ifanakalozy hevitra ny atao hoe "fandraisana ny fanasan'ny Tompo". Ahoana no hahatonga io fanompoam-pivavahana Io hanan-danja kokoa ao amin'ny fiangonantsika ka ho maro kokoa ireo mambra handray anjara amin'izany?

4. Ifanakalozy hevitra ny hoe: novalian'Andriamanitra "tsia" ny vavak'i Jesôsy tao Getsemane. Raha manao "tsia" amintsika Andriamanitra, inona no hevitr'izany?

5. Na nampalahelo an'i Jesôsy tokoa aza ny nandavan'i Petera Azy, dia tsy nolavin'i Jesôsy izy tsy akory. Inona ny fanantenana entin'izany ho anao manokana? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal