Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FIANARANA FANAMPINY

Daty
Zoma 13 September 2024

Vakio ny IFM, toko 75: "Teo anatrehan'i Anasy sy teo amin'ny Iapan'i Kaiafa", sy ny toko 76: "Jodasy".

"Raha mbola teo amin'ny molotr'i Petera ny ozona manambany azy, ka mbola naneno tao an-tsofiny ny fikiririokan'ny fanenon'ny akoho, dia nitodika ny Mpamonjy, niala tamin'ireo mpitsara miketrona handrina noho ny hatezerana ny fijeriny ka nifantoka tanteraka teo amin'ilay mpianany mahantra. Tamin'izay fotoana izay kosa dia voatarika ho eo amin'ny Tompony ny mason'i Petera. Fangorahana sy alahelo lalina no hitany teo amin'ilay endrika malemy fanahy, fa tsy nisy hatezerana. "Nanindrona ny fony toy ny zana-tsipika ny fahitany ity endrika hatsatra, nijaly, ireto molotra nipararetra, ity fijery feno fangorahana sy famelan-keloka. Nifoha ny feon'ny fieritreretany. Velona ny fitadidiany. Tadidin'i Petera ny fampanantenany ora vitsivitsy talohan'izao fa hiaraka amin'ny Tompony ho any an-tranomaizina sy ho amin'ny fahafatesana izy. Tsaroany ny alahelo raha nilaza taminy ny Mpamonjy tao amin'ny efitrano ambony, fa handà ny Tompony intelo izy tamin'iny alina iny. Vao nanambara i Petera fa tsy fantany Jesosy, nefa tsapany izao tao amin'ny ngidin'ny alahelo, fa tena mahalala azy tsara ny Tompony, ary marina dia marina ny namakiany tao am-pont', ny toetra mandainga izay tsy fantatr'izy tenany akory."— IFM, tt. 762,763. 

FANONTANIANA hifanakalozan kevitra 
1. Raha mamaky ny ao amin'ny Mar. 14:9 fotsiny isika, inona koa ny faminaniana hitantsika ataon'i Jesôsy eto, izay toa tsy mitombina velively ny mety hahatanteraka azy raha dinihina ny toe-javatra nitrangany, kanefa tanteraka tokoa ankehitriny?

2. Ampitahao i Jodasy sy I Petera. Inona no mampitovy sy maha-samy hafa ny fihetsik'izy ireo ao amin'ilay tantara?

3 Ifanakalozy hevitra ny atao hoe "fandraisana ny fanasan'ny Tompo". Ahoana no hahatonga io fanompoam-pivavahana Io hanan-danja kokoa ao amin'ny fiangonantsika ka ho maro kokoa ireo mambra handray anjara amin'izany?

4. Ifanakalozy hevitra ny hoe: novalian'Andriamanitra "tsia" ny vavak'i Jesôsy tao Getsemane. Raha manao "tsia" amintsika Andriamanitra, inona no hevitr'izany?

5. Na nampalahelo an'i Jesôsy tokoa aza ny nandavan'i Petera Azy, dia tsy nolavin'i Jesôsy izy tsy akory. Inona ny fanantenana entin'izany ho anao manokana? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal